Politique

Politika avo lenta Ampiadiana ny samy Malagasy


  • Alatsinainy 19 Martsa 2018

Manomboka tafajoboka ao anatin’ny fandriky ny vahiny isika, ary manangasanga any indray ny teti-dratsy samihafa hampiadiana ny samy Malagasy.

 

 Mora ny mampiady ny mpanao politika eto, ary rehefa mikorontana ireo dia mora ho azy ireo ny manosika mora foana izay olona tiana hapetraka hitantana ny firenena sy azony baikoana na tsy hikitikitika ny tombontsoany. Samy maniry ny hamikitra sy hahazo sehatra eto na ny Tandrefana na ny Tatsinanana satria fantany ny harembe eto. Misisika eto ny tandrefana toa ny Tiorka, izay efa tonga teto ny filohany Tayip Recep Herdogan. Ny Frantsay mazava ho azy, ny Italianina sy ny Rosianina, izay vao avy notsidihin’ny filoha Malagasy,… Notendrena ihany koa ny masoivoho Malagasy any Londres Angletera. Tsy ny Tandrefana ihany fa efa tena mamahatra sy mitady hirika mafy ny Tatsinanana, toy ny sinoa ny Japonais,... Miditra lalina amin’ny politika eto ny vahiny, ka vitany ny manambitamby ny mpitondra sy ny mpanao politika sy manatosaka volabe. Tsy iray na roa fa hiresahany daholo ny rehetra, ary hampandriany adrisa ho olony avokoa, dia samy miahaka mifamotika eo. Efa manana ny kajiny anefa izy amin’ny fanosehana izay olana tiany ho eo. Toa mizotra amin’izany tanteraka isika ankehitriny satria tsy misy tokotaniny ny fampihavanam-pirenena, mananontanona ny krizim-pifidianana noho ny fisian’ny kajikajy politika isan-karazany. Manomboka voizina ihany koa ny fizarazarana ara-poko, indrindra fa amin’ity resaka fandrotsahana kandida ity. Etsy an-kilany, mody mandefa iraka mpanara-maso samihafa ny sehatra iraisam-pirenena hijery ifotony ny resaka fanomanana ny fifidianana. Miresaka amin’ny mpanao politika rehetra ireny ary dia samy ampanantenaina fa manga ny lanitra. Samy niharan’ny fandraikiraikena sy manantena fanohanana, kanefa ao anatin’izany no mety hasosoka ho azy ny olona tiany hapetraka eo.  Ampian’ny olana ara-tsosialy sy ny fidangan’ny vidim-piainana io, dia mora ny fikitihana ny vahoaka hitroatra raha ilaina. Hiditra an-tsehatra mora fotsiny amin’izay ny vahiny amin’ny resaka fampihavanana satria ny eto efa tsy misy tokotaniny izany fampihavanam-pirenena izany. Eto indray isika no horaisina satria tsy haharesy azy ireo raha resaka diplomasia, ka izay lalana soritany amin’ny ankapobeny no tsy maintsy hizorana.


Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT