Politique

Politika any Alaotra Mangoro Efa lozitry ny fihatsarambelatsihy


  • Alarobia 20 Martsa 2013

Mahavaka ny sain’ny vahoaka any Alaotra Mangoro ny mahita ny fihetsiky ny mpanao politika any an-toerana mifamingana sy mifampitsikera fa manadino ny tena fampandrosoana.

 Manjaka loatra amin’ny mpanao politika any an-toerana ny fialonana sy ny fihatsaram-belatsihy, hany ka sarotra ho an’ny Ben’ny tanànan’Ambatondrazaka ny manohy ny ezaka ataony amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Manomboka tsikaritry ny mponina any an-toerana ankehitriny ireo mpanao politika mpihatsaravelatsihy sy sakana amin’ny fampandrosoana. Manomboka miakatra ankehitriny ny maripàna ary tonga hatrany amin’ny hoe tokony hosoloina PDS ny Ben’ny tanànan’Ambatondrazaka. Dinika manokana nataon’ny mpanao politika sy ny tompon’andraiki-panjakana iray no nahenoana fa misy olona efa vonona amin’izany toeran’ny PDS izany. Ho tonga hatraiza ary ity tsy fifankahazoan’ny mpanao politika any Alaotra Mangoro ity, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Ny vahoaka aloha hatreto efa mahafantatra izay olona tiany hitondra azy fa ireo mpanao politika zatra ny lalan-dririnina no ho sahirana.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT