Natolotry omaly alatsinainy 04 febroary tetsy amin’ny Antenimieram-pirenena ny politika ankapobeny hitondran’ny fanjakana ny firenena (PGE).
Tatitra nataon’ny mpikambana ao amin’ny governemanta, notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ireo solombavambahoaka entina hanatanterahana ireo velirano sy ny vina IEM. Nizara teboka 5 lehibe ny PGE dia ny sehatra fitantanana, fandriampahalemana, toekarena, sosialy ary ny tontolo iainana. Eo amin’ny lafiny toekarena dia voambara tao fa hohatsaraina ny fidiram-bolam-panjakana, hohamoraina ny fananganana Indostria Malagasy. Hisy ihany koa ny ezaka manokana amin’ny ady amin’ny hosoka ny amin’ny fampidiran-ketra. Hampirisihina mafy ihany koa ny fanodinana sakafo sy fanafody eto an-toerana. Nilokaloka izy ireo fa hiara-miasa amin’ny orinasa avy any ivelany mpamokatra simenitra sy angovo azo havaozina. Hatao laharam-pahamehana ihany koa ny sehatra fiompiana, jono ary nisy faritra nomena sata manokana tahaka an’ny Nosy Be Hell Ville hampiroboroboana ny sehatra fizahan-tany. Hatsaraina ny fanokafana an’habakabaka, hamboarina ny lalana tahaka ny RN44, RN13, RN10, ary harovana ny sisin-dranomasina. Hampidinina ny vidin’ny angovo dia hiezaka hitady fifanarahana ary hamokatra angovo hatrany amin’ny 40 MW amin’ity taona 2019 ity. Hojerena manokana ny tsenan’i Madagasikara amin’i Afrika sy Sina ary hovahana ny olan’ny JIRAMA. Hisy ihany koa ny fananganana foibe ho an’ny volamena sy ireo vato sarobidy. Nanamarika ity PGE ity ny tsy fisiana tarehimarika mazava mihitsy fa tatitra lavabe fotsiny no natao. Na ny fitarafana (projection) amin’ny fampakarana ny harinkarena isan-taona aza tsy hita ao. Tahaka izany ihany koa tsy voalaza tao mihitsy ny tarehimarika hotratrarina mahakasika ny harinkarena faobe izay handrefesana sy hamantarana ny ezaka atao mandritra ny taona. Mampametra-panontaniana ny tsy nanononana mihitsy ny ho vola rehetra isaky ny tanjona tsirairay ho hanatanterahana ny vina IEM. Ankoatr’izay dia aiza sy ahoana ny famatsiam-bola ny amin’io PGE io ? Hitrosa ve i Madagasikara ? Ahoana ny tahan’ny fitrosana (taux d’endettement)? Mety ho taranaka firy indray no hibaby an’izany ? Sa ve hotanterahina amin’ny fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana sy ny tsy miankina miaraka amin’ny fanetsehana ny harena anatiny io ? Mavesatra ilay PGE ary mila vola be ka ilaina fantatry ny vahoaka Malagasy ny fiavian’ny vola sy ny famatsiam-bola rehetra.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.