Politique

Politika ankapoben’ny fanjakana Tsy azo ihodivirana ny fitrosana


  • Alarobia 06 Febroary 2019

Tsy azo avela ireo mpamatsy vola mahazatra, hoy ny tale jeneralin’ny fampianarana ambony ampitain-davitra CNTEMAD (Centre National de Télé-Enseignement de MADagascar) Dokotera Djohary Andrianambinina.

 Ilaina kosa ny ezaka fandresen-dahatra ny vahoaka ny amin’ireo fampiasana mazava ny vola enti-mampandroso an’i Madagasikara. Manana ny fepetrany ihany koa ireo mpamatsy vola satria tetikasa mazava sy azo tanterahina tsara no atosik’ireo. Na izany aza dia tsy tokony hianona fotsiny amin’ireo mpamatsy vola mahazatra ireo i Madagasikara, indrindra ny amin’ny fanatanterahana ny PGE fa tena ilaina ny fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana sy ny tsy miankina (3P). Amin’io aza no tena ahazoana tombony kokoa na dia misy aza ny tambiny ambadika ataon’ireo vahiny tahaka ny fanamorana ny fipetrahan’izy ireo manao fandraharahana eto. Eo ihany koa, ohatra, ny fandanjalanjana ny lalana mahakasika ny harena ankibon’ny tany mba ahafahan’izy ireo mampiasa vola amin’izany. Ankoatr’izay dia mampiakatra ny kitapom-bolam-panjakana sy miteraka asa ihany koa ny fandraharahana mivantana ataon’ireo vahiny (IDE). Amin’izany kosa dia tsy maintsy mampiseho ny fahaiza-manao (Main d’oeuvre qualifié) ny Malagasy. Tsy azo adino ihany koa, hoy ity mpahay toekarena ity ny fanetsehana ny harena anatiny izay olana foana ny fitantanana azy hatramin’izay ary mila voatrandraka tsara amin’ny tokony ho izy. Raha ny fehiny dia tsy maintsy mila vola amin’ireo firenena hafa isika amin’ny alalan’ny trosa ary hatao ho tombontsoan’ny firenena izany satria tena efa maika ny fampandrosoana sy ny fanalana ny vahoaka anatin’ny fahantrana lalina. Lehibe sy makadiry ny PGE entina hanatanterahana ny vina IEM ka tsy tokony hitoka-monina i Madagasikara fa ilaina ny famatsiam-bola avy any ivelany.

Tsirinasolo

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT