Politique

Politika ankapoben’ny Fanjakana Sady tsy mazava no tsy misy tarehimarika


  • Alarobia 20 Martsa 2019

Manjavozavo tanteraka ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) hoy ireo fikambanan’ny fiaraha-monim-pirenena (OSC) nanatrika ny fanomanana ny lalàna mifehy ny tetibola Asiam-panitsiana (LFR) 2019 nataon’ny teo anivon’ny fitantanam-bola sy ny fampandehanan-draharaha ankapobeny (DGFAG) tetsy Anosy omaly Talata 19 Martsa.

 

 

 

 Amin’ity taona 2019 ity ohatra dia tombatombanana hahatratra 5,2% ny fitomboana ara-toekarena, 6,8% ny tondro IPC (Indice de Prix à la Consommation) ary 12,2% ny  tahatsindrin-ketra afa-karatsaka (taux de pression fiscale). Ireny tarehimarika ireny dia heverina sy hodinihina avokoa amin’ny fanomanana ny lalàna momba ny tetibolam-panjkanaa nasiam-panitsiana taona 2019 (LFR 2019). Nanambara anefa ny teo anivon’ny OSC fa tsy tokony hisy mihitsy ny LFR satria manimba ny asan’ny ministera hoy izy ireo. Nangataka ihany koa ireo fikambanan’ny fiaraha-monim-pirenena ireo mba hisy tarehimarika mazava mifandraika amin’ny PGE ahafahana mahafantatra ny dingana tokony ho tratrarina mandritra ny fotoana sy ny fe-potoana manaraka. Manaraka izany dia hita taratra hoy izy ireo fa misy ny fampiasam-bola tsy mazava. Tokony hisy finiavana ara-politika ary sehatra hifanakalozana momban’ny fandraharahana ara-bola atao eo amin’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitatanam-bola miaraka amin’ny fiaraha-monim-pirenena satria volam-bahoaka no ampiasaina sy kirakiraina. Raha momba ny tahirim-bola ho an’ny fisotron-dronono (caisse de retraite) ho an’ny mpiasam-panjakana ohatra dia nanambara izy ireo fa misy vola 325 miliara Ariary ampiasain’ny fanjakana lazaina hamenoana ny vola tsy ampy amin’izany kanefa vitsy an’isa sady ampahany kely amin’ny vahoaka Malagasy ireo. Tokony hisy vahaolana haingana sy maharitra avy amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola sy toekarena mba hisitraka io vola io avokoa ny vahoaka rehetra hoy hatrany izy ireo.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT