Nivoaka iny ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny politika ankapobeny entin’izao fitondrana izao manatanteraka ny praograman’asany.
Teboka voalohany voalaza ho laharam-pahamehana tsy azo ihodivirana moa ny lafiny fandriampahalemana. Mbola naverina tao resaka famatsian’ny fanjakana ireo fitaovana isan-karazany iadiana amin’ny dahalo ka nomarihana manokana tamin’izany ny fanampiana angidimby. Tsy nisy tarehimarika nilaza mazava ny isan’izay moa. Fepetra nolazaina horaisina koa, ohatra, ny fametrahana borigady manokana isaky ny 150 km misahana ny fiahiana ny ain’ireo mpampiasa lalam-pirenena. Ankoatra izay moa dia voaresaka tamin’ny ankapobeny ihany koa ny lafiny fanadiovana ny fitsarana, ny ady amin’ny kolikoly, ny famatsiana rano fisotro madio, ny fananganana tanàna maoderina sy izay nampanantenaina tamin’ny fampielezan-kevitry ny filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina rehetra. Hapetraka tsy hisy tomika ao anatin’ny 5 taona daholo ve ny asa lazaina fa tsy vitan’ny teo aloha nandritry ny 58 taona ? Miandry ny fampiharana ny rehetra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.