Politique

PM Solonandrasana Manambitamby Fiangonana


  • Alatsinainy 23 Janoary 2017

Nafonja ny hafatry ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Olivier Solonandrasana, ho an’ireo kristianina FJKM sy izay rehetra nanotrona ny ivon’ny fankalazana ny faha-150 taona nitokanana ny FJKM tranovato Ambatonakanga omaly.

Nafonja ny hafatry ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Olivier Solonandrasana, ho an’ireo kristianina FJKM sy izay rehetra nanotrona ny ivon’ny fankalazana ny faha-150 taona nitokanana ny FJKM tranovato Ambatonakanga omaly. Ho setrin’ny toriteny izay nentin’ny filohan’ny FJKM ( Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara), Irako Andriamahazosoa Ammi, izay nanantitrantitra fa kely loatra ny vinan’ny kristianina raha tsy mihevitra ny fanjakan’ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay dia nanamafy ny praiminisitra fa kristianina daholo tokoa ny mpikambana ao amin’ny governemanta izay tarihiny saingy mampametra-panontaniana kosa ny olana mbola mitoetra eto amin’ny firenena. Manomboka anio, hoy izy, mantsy ny omaly, dia ilaina ny manana zom-pirenena roa dia ny maha olom-pirenena Malagasy sy ny maha olom-pirenen’ny lanitra. Nisy moa ny fanazavana nomen’ny praiminisitra tamin’ny mpanao gazety mikasika ny antony tsy naharaikitra ny adihevitra nokasain’ny avy eo anivon’ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga niarahana taminy ny faran’ny herinandro teo ary nazava ny valin-teniny fa nisora-tena toy ny voatango ihany ity antoko ity fa tsy mbola misy hatreto ny lalàna mamaritra izay tena lehiben’ny mpanohitra. Nanamafy ny fahavononan’ny fitondram-panjakana hiara-kiasa amin’ny fiangonana hatrany kosa ny praiminisitra, teo am-pamaranana ny lahateniny.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT