Politique

PM Solonandrasana Mahafaly Sahy hiady amin’ny Mafia ve ?


  • Alakamisy 14 Aprily 2016

Tsy miafina mihitsy hoe avy tao amin’ny governemanta Ravelonarivo ihany no namolavola ny praiminisitra vaovao. Raha ny resaka sy ny fampanantenana dia betsaka fa mba hanao ahoana kosa ny asa fanantanterahana azy ireny ?

 


Tsy nety nitondra fanazavana momba ilay fametraham-pialana nahabe resaka iny intsony ny jeneraly Ravelonarivo Jean omaly teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo nandritra ny famindram-pahefana tamin’ny praiminisitra vaovao Solonandrasana Mahafaly Olivier na dia nisikotra mafy aza ny mpanao gazety. « Manaja ny fireneko aho ka tsy hitako izay hanaovako polémique momba iny intsony fa dia misaotra anareo tonga nanotrona », hoy ny praiminisitra teo aloha ny jeneraly Ravelonarivo Jean. Raha nandray fitenenana koa ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Oliver, dia nanamafy fa ny ady amin’ny fahantrana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ary ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana no himasoan’ny governemanta izay hatsangany mba hifanaraka amin’ny vina napetraky ny filoham-pirenena, hono. Tena ho sahy hikitika ireo dosie maha voatonontonona ny olona akaiky ny filoha sy ny fianakaviany ary ve ity praiminisitra vaovao ity ? Ho sahiny ve ny hisambotra sy hanasazy ireo olona efa fantatra anarana sy adiresy fa ao ambadiky ny trafikana boaderozy sy volamena ? Sa dia be resaka fotsiny fa nahazo seza. Efa samy nilaza fa hiady amin’ireo Mafia sy tambajotran-jiolahy mpanondrana ny harem-pirenena mantsy ny praiminisitra roa teo alohany dia i Kolo Roger sy Jean Ravelonarivo saingy tsy nahovoka firy fa nandeha foana ihany ny trafika.


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT