Anio alatsinainy, 9 mey 2016, no hiatrika ny Solombavambahoaka sy ny Loholona ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier hanolotra ny volavolam-pandaharan’asam-pampandrosoan’ny governemantany.
Dingana tsy maintsy holalovana moa izany, araka ny voatondron’ny andininy faha-99 ao amin’ny lalàmpanorenana amin’ny tsy hanaovan’ny praiminisitra an’io, farafahatarany iray volana aorian’ny nanendrena azy, ka mifanojo indrindra amin’izao fivoriana ara-potoana voalohan’ny Parlemanta izao izany, na dia fantatra aza fa ho resabe fotsiny ihany satria tsy hisy adihevitra amin’izay teneniny.
Marina fa mpikambana tao amin’ny governemanta Ravelonarivo ny praiminisitra ankehitriny saingy tsy hita ny fitohizan’asa ho azony lazaina eo fa dia hanomboka ny azy hatrany am-boalohany indray ity praiminisitra vaovao ity.
Ho an’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana dia volan-kankafotra ka ny omaly tsy miova. Ny fakana an-keriny sy ny raharahan-drongony indray aza no nitombo. Haverina ny « opération » Fahalemana sy ny « coup de poing ».
Ady amin’ny valala, efa ho 20 taona isika eo amin’io foana. Fanapariahana voly rakotra ho fanatsarana ny fomba fambolena, ny dinik’asa no betsaka fa ny fombandrazan’ny tantsaha ihany no ataony. Tsy resy lahatra izy. Ady amin’ny kolikoly sy ny Fitsarana manokana hiady amin’ny risorison’andramena. Afon’apombo ny eto an-toerana. Ny any ivelany indray no sahirana. Manakiana ny Amerikanina, mampiakatra fitsarana ny any Singapour fa ny eo ihany no eo. Ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny kere, isan-taona io miverina foana.
Natao hamaha olana ny fiantsoana ny mpampiasa vola vahiny. Miforitra manoloana ny filam-baniny ataon’ny mpamatsy vola ny fitondrana tsy manan-kambompo intsony. Napetraka ny tolo-dalàna ny fananan-tany hanomezana laka ny vazaha fa tsy hita izay vokatra fa ny tanindrazan’ny Malagasy no vita an-kandasitra. Tsy matoky, hono, ny mpampiasa vola fa tsy ara-dalàna ny fandriampahalemana, ratsy koa, hono, sady lafo ny famatsiana herinaratra dia tsy marisika izy ireo ny hampiasa vola eto Madagasikara kanefa ny taninao alainy ihany.
Ampahany ihany ireo amin’ny toe-draharaha misy eo amin’ny tontolon’ny toekarena malagasy fa dia handrasana indray izay fahagagana hataon’Atoa praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier fa ny solika aloha dia niakatra indray ny vidiny ny faran’ny herinandro teo. Nahitana fiakarana sahabo ho 100 Ariary isaky ny litatra avokoa na ny gazoala na ny lasantsy na ny solitany fandrehitra.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.