Politique

PM Solonandrasana Mahafaly Nampanantena fa amboarina indray ny RN 13


  • Sabotsy 23 Jolay 2016

Nihaona tamin'ny vahoakan'i Tolagnaro omaly zoma ingahy Solonandrasana Olivier Mahafaly praiministra,

lehiben'ny governemanta. Na niezaka nanao izay fomba hahavory ny vahoaka aza ny mpikarakara dia vitsy ireo namaly ny antso. Ankoatra izay, nidina avokoa ny toeram-piasana fa handray ireo vahiny notarihan’ny praiminisitra, hono. Misimisy ihany ny fampanantenana tany Tolagnaro satria nilaza io omaly io ny praiministra fa hamboarina ny lalam-pirenena faha-13 (Tolagnaro -Ambovombe), hovahana ny olana mahakasika ny karama 3 volana tsy mbola voaloa,  hojerena akaiky ny findangan'ny faktioran’ ny jiro izay tena mihoapampana, ny hotohizana ny fanamboarana ny kianja filalaovam-baolina Ampasimasay, hampidinana tsy misy hatakandro ny vidim-bary sy ireo entana ilain'ny mponina andavan'andro (PPN). Nanome baiko ny tompon’andraikitry ny varotra ny praiministra hijery sy hanara-maso an'izany. Mihevitra ny mponina fa tsy ho fampanantenana politika fotsiny indray ireo nambaran'ingahy praiminisitra. Marihina fa nanotrona ny praiminisitra ny minisitra mianadahy: Chabani Nourdine (indostria) sy Onitiana Realy (mponina).

Oth

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT