Loharanom-baovao iray akaiky ny fitondrana no nahenoana fa akaiky ihany koa ny fanaisorana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier eo amin’ny toerany, taorian’ny efa nandakan’ny HVM ny filohan’ny antenimierandoholona teo aloha Honoré Rakotomanana.
Ny volana desambra izao no mety hahatanterahan’izany. Kajy politika hampandresena ny HVM amin’ny fifidianana avokoa no ao ambadika. Hiezaka haka fom-bahoaka ny mpitondra ankehitriny, ka mody hanao fihetsika miendrika fanadiovana ny ao anatiny no paikady manaraka. Anisan’ny olona tratry ny kiana mafy teto amin’ny firenena ny praiminisitra ankehitriny, fa ny goavana dia ny nandrenesana ny anarany tamin’ny raharaha kolikoly nahasaringotra an’i Claudine Razaimamonjy, izay efa naman’ny tapitra raha ny fahitana azy, fa fandrirarirana saim-bahoaka sisa no mety hiseho. Mody hampiseho fa mampanjaka ny tany tan-dalàna sy milefitra tsy milafitra velively amin’ny resaka kolikoly ny mpitondra.
Tsy nanan-tsafidy
Raha ny resaka nivoaka ihany koa anefa dia misy tambiny goavana napetraka, izay tsy nananan’i Mahafaly Solonandrasana Olivier safidy sy mbola antony nitazonana azy eo amin’ny toerany dia ny hoe hisompatra sy hisakana hatramin’ny farany ny firotsahan’ireo kandida atahoran’ny HVM amin’ny fifidianana. Re fa nanaiky an-tsitrapo io fepetra io ny tenany satria mafy ny handao ny seza. Nandritra ireny antsojay politika isan-karazany, toy ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara ireny (TIM) ireny, dia voalaza fa avy eny Mahazoarivo ny ankamaroan’ny baiko. Mbola ady saritaka tao an-dapa rahateo ny olona mety hasolo ny toerany na efa nandeha aza ny resaka tamin’ireny fotoana ireny, fa i Atallah Béatrice no natosiky ny sehatry iraisam-pirenena, saingy nesorina tamin’ny toerana maha minisitry ny raharaham-bahiny azy. Nisy fotoana voalaza fa tsara toerana ihany koa i Tazafy Armand izay minisitry ny Indostria amin’izao, ary toa mahavita ny iraky ny HVM tsara amin’ny fisomparana ireo olona atahorana amin’ny fifidianana toy io fanakatonana ny AAA Tiko io ankehitriny. Mety mbola misy anarana hafa ihany koa anefa satria mivoatra ny toe-draharaha ary tena saropady ny toeran’ny praiminisitra satria izy no lehiben’ny fampandehanan-draharaham-panjakana, ka noho izany olona tena atokisany ho apetraky ny HVM eo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.