Politique

PM Ravelonarivo Jean Mandrangaranga federalisma


  • Alatsinainy 15 Febroary 2016

Nivoaka ny lapa namonjy ny lanonan’ny fikambanana Grand Sud-Est, teny amin’ny By-Pass, ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ravelonarivo Jean, ny sabotsy teo.

 

Nandritra izany no nanaovany fanambarana fa « Andao hanambatra hery hijery ny faritra niaviantsika ». Nanaitra ny maro ny nandre io fanambarany io ary niteraka adihevitra. Mety ho nentin-kafanam-po angamba ny praiminisitra tamin’io, na efa valin-kafatra ho an’ireo mpanenjika ka mivoy ny hanalana azy. Taorian’izay dia mbola nanampiany fa « Ilaina ny hampandrosoana ny faritra misy azy ireo. Ny faritra Atsimo Atsinanana izany». « Raiso ny andraikitra fa ny mitabe tsy lanin’ny mamba, ary ny akanga maro tsy vakin’amboa », hoy hatrany ny jeneraly Jean Ravelonarivo.

Ho an’ny mpahay politika dia fitenina federalista no nataon’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. Ary nandrasany iny fihaonamben’ny avy any Atsimo Atsinanana iny, izay faritra fiaviany rahateo, nanambarany izany. Ny baraingo dia hoe inona no antony nanosika azy ho amin’izany ? Kisendrasendra fotsiny ihany ve no amin’izao fotoana iresahan’ny maro sy mampafana ny adihevitra amin’ny ho fanovana ny governemanta izao no nanaovany azy sa tsapany fa mihozongozona ny toerany dia hatao fitaovana sy arangaranga indray ny fikambanam-piaviana hisehoana fa maro ny olona ao andamosiny, sao misy alaim-panahy hanilikilika azy ? Ny ampitso no hanamarina izany.

Fa tonga nanome voninahitra ny lanonana ireo loholona, minisitra, solombavambahoaka avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ary ireo mitana andraikitra isan’ambaratonga amin’ny fanjakana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT