Politique

PM Ravelonarivo Efa tena reraka


  • Alakamisy 25 Febroary 2016

Nandray fiaramadinina nihazo an’i Frantsa, omaly alarobia vao maraim-be, hizaha ny toe-pahasalamany indray ny praiminisitra Jean Ravelonarivo. Haharitra hadimiana ny diany any amin’ity indray mitoraka ity.

Fanindroany amin’izao diany izao izany ity lehiben’i Mahazoarivo ity no voatery hivoaka any ivelany noho ny antony ara-pahasalamana, na dia afenimpenin’ny ao Mahazoarivo aza ny antondiany any. Misy fiantraikany eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny tsy fahatomombanana ara-pahasalamany ary mety hanohintohina mihitsy ny asan’ny governemanta amin’ny ankapobeny.

Mbola manana hery sy tanjaka hanohy ny andraikitra nankinina taminy ve ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ? Fanontaniana goavana mipetraka tokoa io, manoloana ny zava-misy iainan’ny vahoaka isan’andro toy ny tsy fandriampahalemana, kere any Atsimo, ny tsy fahombiazan’ny RRI, ny fitakiana sy fanakianana lavareny avy amin’ireo firenen-dehibe sy mpamatsy vola vahiny manoloana ny tsy fisian’ny paikady mazava hiadiana amin’ny kolikoly...

Rehefa dinihana anefa ny fanambarana nataon’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo dia toa tsy hanaiky ny hiala ary hifikitra eo amin’ny sezany amin’ny fomba rehetra na dia hita izao aza ny tsy fahombiazan’ny governemanta izay tarihany. Porofon’izany ny fampiakarana an-tsehatra ireo olona avy any amin’ny faritra Atsimo, nasaina nampitandrina ny fitondrana foibe mba tsy hikasikasika ny praiminisitra Jean Ravelonarivo eo amin’ny toerany, izay fomba amam-panao efa nilaozan’ny toetrandro.

Izay fanaovana fitaovana politika ny resaka ara-piaviana izay indrindra anefa no tena anisan’ny fototry ny olana eto amin’ny firenena satria miteraka fisaraham-bazana eo amin’ny olom-pirenena. Mahavariana ihany ny mahita ny fihetsika sy ny fomba fisainan’ny tompon’andraikitra ambony eto amintsika indraindray. Tsy manana izany antsoina hoe « sens de l’honneur » izany ny ankamaroany ka mba hanaja tena mametra-pialana.

Na io resaka kere any Atsimo fotsiny ihany aza dia efa tokony ho nametrahan’ny praiminisitra fialana avy hatrany. Hainy ny nampiakatra ireo olona avy any Atsimo nataony fitaovana hiarovany ny sezany kanefa tsy fantany ny fahoriana manjo ireo mponina any Atsimo vokatry ny kere ? Tena mampalahelo mihitsy ny mandinika izany toe-javatra izany. Etsy an-danin’izany tsy fahombiazana rehetra izany anefa ny olana ara-pahasalamana mahazo azy. Efa hita izao fa naneho ny fetrany ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ka sao dia fotoana tokony hanaovany jery atrika sy todik’ivoho, amin’ny maha manamboninahitra jeneraly azy kosa izao e ?

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT