Politique

PM Mahafaly Olivier Mampizarazara ny Administratera Sivily


  • Talata 19 Aprily 2016

Ny nantenain-kanirina indray ity no toa vao mainka nampivandravandra. Nihevitra ny maro fa hampitambatra indray ny fianakaviamben’ny Administratera sivily ny fanendrena an’i Solonandrasana Mahafa

 

ly Olivier ho praiminisitra, saingy ny mifanohitra amin’izay no hita hatreto. Vao mainka aza mizarazara ny Administratera sivily. Telo no miseho vatana, mety mbola misy any ambadibadika any, dia ny “Assises” na ireo lohandohany nitarika ny “Assises” nataon’ity antokon-draharahan’ny mpiasam-panjakana ity tamin’ny taon-dasa 2015 ary nanao fanambarana fanohanana ny praiminisitra vaovao Mahafaly Olivier ny alakamisy 14 aprily lasa teo ; ny SYNAD (Syndicat des Administrateurs Civils de Madagascar) ary ny CRAC (Cercle de Réflexion des Administrateurs Civils). Tsy mbola re nanao fanambarana ofisialy fanohanana an’i Mahafaly Olivier ireto roa farany. Ny mifanohitra amin’izay aza no re, fa tsy faly tamin’ny mbola namerenana indray ao anaty governemanta ireo minisitra tondroin’izy ireo fa “naneritery sy nanosihosy ny hasin’ny Administratera Sivily”. Tsy vitan’ny Praiminisitra Mahafaly Olivier ny nanaja ny fotokevitra ijoroan’ny Adminisitratera sivily tamin’ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny governemantany dia ny mametraka olona mendrika amin’ny toerana sahaza azy (L’homme qu’il faut à la place qu’il faut), hanomezan-danja ny teknisianina sy ny Adminisitratera sivily. Midika izany, hoy ry zareo ao amin’ny CRAC fa tsy hita taratra amin’io governemanta vao najoro io ny fahavononana marina hanarina ny asam-panjakana, izay antoka mankany amin’ny fanarenana ny firenena, fa resaka fotsiny ny filazana fa governemanta hiady amin’ny fahantrana sy fahalovana no najoro. Raisin’ireo Adminisitratera sivily ho tsy fahatokisana azy ireo ihany koa ny namikiran’i Mahafaly Olivier ho azy samirery ny asan’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Manoloana izany dia mandrahona ny hanao fanambarana manipaka ny nataon’ny “Assises” tamin’ny alakamisy ireto andiana Adminisitratera sivily ao amin’ny CRAC ireto. Mailo ny amin’izay mety ho fiantraikan’izany angamba ny ekipan’ny praiminisitra, ka nisy omaly alatsinainy tolakandro ny fikasana ny hampivondrona ny fianakaviamben’ny Adminisitratera sivily saingy nitsefotra. Dia ho hita eo ny tohiny.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT