Politique

PM Mahafaly Olivier Lasa mangingina any Nouvelle Guinée ?


  • Alarobia 01 Jona 2016

Tsy eto an-toerana ny praiminisitra ! Izay indray no resaka mandeha. Ny mahagaga dia any an-dalatsara any no ahenoana an’izany.

 

Tsy misy vaovao ofisialy milaza na manamarina fa lasa any ivelany tokoa ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier. Honohono avokoa ny zava-drehetra. Inona no antony ? Ny zavatra tsikaritra aloha dia toa lasa fanaon’ny mpitondra amin’izao fotoana indray ity, lasa mangingina sy tonga tsy re tsaika ity. Niverina mangingina an-tanindrazana, nandeha zotram-piaramanidina iombonana ny filoha rehefa rakotry ny tsikera amin’ny fandaniam-be tamin’ny nanofana fiaramanidina manokana namonjena fivoriana tany Eoropa tany. Tsy te haneho fa tsy misy mpitondra ny firenena, nefa mafampana ny toe-draharaha politika eto an-toerana ve ny praiminisitra tamin’ny nandehanany mangingina ? Tsy voafaritra rahateo ny fomba nialany teto, fa dia honohono avokoa no ahafantarana fa efa tamin’ny sabotsy 28 mey teo izy no lasa, ny iraky ny Tahirimbola Iraisam-pirenena anefa tonga eto Madagasikara. Tsy fantatra hoe ho aiza ny anton-diany ? Siosion-dresaka koa no andrenesana fa lasa any Nouvelle Guinée. Hanao fizaham-pahasalamana ? Hitady mpiara-miombon’antoka ara-bola ? Dia manokana sa raharaham-pirenena ? Iza no miantoka ny fandaniana ? Baraingo ilam-baliny avokoa izany rehetra raha mbola mitana ny teniny, haneno ny mangarahara ny tandapa ao Mahazoarivo. Io rahateo no fivoahana voalohany an’i Madagasikara nataony, taorian’ny 10 aprily 2016 nanendrena an’i Solonandrasana Mahafaly Olivier ho praiminisitra lehiben’ny governemanta.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT