Telo andro sisa dia hivalona tanteraka ny taona 2017. Sambany teo amin’ny tantara maha praiminisitra azy ny lehiben’ny governemanta,
Solonandrasana Mahafaly Olivier no nanasa mpanao gazety hiara-kitafa sy hisakafo maraina aminy eny Anosy DLC (Development Learning Center) mialoha ny hifaranan’ny taona toy ity anio ity. Hanatsara tena mialoha ve fa tsy hahandry ny fifampiarahabana ny taona vaovao eny Iavoloha amin’ny zoma 5 janoary 2018 ? Efa ela no nandrenesana fa mihozongozona ny sezan’ity praiminisitra ity ary dia heverina fa hiaro tena na hidoka tena fatratra amin’ny alalan’ny fampitan-kafatra amin’ny haino aman-jery ny tenany entina hilazana fa nanao “combat” tokoa ny governemanta notarihiny. Nahavita vola vaovao, fotodrafitrasa sy ny sisa. Ny lafiny sosialy, izay tena ain’ny mpiara-belona angamba no mety hosafosafoana satria novakiana fotsiny fa tsy nety voafehy ny vidin-tsolika. Ny vidim-bary izay foto-tsakafon’ny Malagasy aza moa dia niaka-bidy avo roa heny ny teny an-tsena. Ny raharaha Claudine Razaimamonjy, very an-javony. Ny resaka kolikoly sy tsy fandriampahalemana mirongatra. Anisan’ny raharaha mirirarira ihany koa hatramin’izao ny resaka Antsakabary. Ny pesta nandritry ny telo volana tsy adino. Raha tsy hilaza afa-tsy ireo, inona re no mba mety ho fahombiazana holazain’ny praiminisitra anio e ? Mety hiverenany hotsiahivina indray angamba ny nahazoany ny mari-pankasitrahana Mandela ho an’ny fahavitrihana (Prix Mandela du courage 2016) tany Parisy ny 25 febroary 2017 teo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.