Politique

PM Kolo Roger Mikoropaka vao mitrena ny depiote


  • Alarobia 04 Jona 2014

Mbola ny raharaha anatin’ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena indray omaly no nibahan-toerana tamin’ny fivoriana tsy azon’ny besimaro natrehana.

Ny manodidina ny efitrano fivoriana hatrety ivelany aza dia nofefena tsy handalovan’ny olona. Tsy isalasalana ny hilazana fa resaka tombontsoa manokana no niompanan’ny adihevitra tao an-dapa tao ka nisian’ilay tsirin-kevitra fitsipaham-pitokisana ny governemanta mba hanerena ny governemanta Kolo hitodika bebe kokoa eny amin’izy ireo. Nampiantso ny praiminisitra mihitsy moa ry zareo ny antoandro ary dia tonga tokoa ity farany ny tolakandro niaraka tamina minisitra vitsivitsy, tahaka an’ireny ho tsy manan-katao hafa ireny ny eny Mahazoarivo fa mikoropaka izay tsy izy raha vao ny eny Tsimbazaza no mitrena. Samy tsy nahitan-teny na depiote na minisitra taorian’ny fihaonana, efa alina vao nirava. Ny praiminisitra aza zara raha niloa-bava nilaza fa fanamafisana ny fiaraha-miasa no nodinihana tao, saingy nahateny tsy nahy ihany fa “efa fantatrareo mpanao gazety ny amin’ilay resaka ê”. Tsetsatsetra tsy aritra kosa no ilazana fa mbola nitohy hatreny an-dalantsara hivoaka ny Lapa ny fifanazavana niendrika fifamaliana nifanaovan’ny minisi-panjakana Rakotovao Rivo sy ny Depioten’Antalaha Lahisoa Jean Pierre na Jaovato tamin’ny resaka manodidina ny lavanila efa nifanandrinan’izy ireo tao anatiny tao araka ny heno. Fa nisarika ny sain’ny maro teny Tsimbazaza ihany koa oamly ny fiedinedin’ny ramatoa iray, izay sady tsy tompon’andraikitra ao amin’ity andrim-panjakana ity no tsy solombavam-bahoaka nefa dia tazana nivezivezy tao an-dapa tao nanomboka ny maraina omaly ary mbola nitohy mandram-paharivan’ny andro nizarana sakafo maivana “pizza” tao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT