Politique

PM Kolo Roger Mamalan-kira matetika


  • Zoma 11 Jolay 2014

Miha mahoraka hatrany ny siosion-dresaka milaza fa tsy maintsy hisy ny fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta ary mety ho anisan’ireo voalohany ho soloina ny priaminisitra Kolo Roger. Na dia nanolotra an’i Hery Rajaonarimampianina ho solony tamin’ny fifidianana filoham-pirenena aza mantsy ingahy Kolo Roger dia tsy ampy izany mba hampaharitra azy eo amin’ny toerany izany, hoy ny resaka mandeha........

Samy mahatsapa tokoa mantsy ny rehetra fa tsy mahavita azy, tsy mendrika ny toerany ity mpitsabo efa nanorim-ponenana tany Soisa ity fa tena resaka politika avo lenta fotsiny nonanendrena azy ho praiminisitra. Na ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny filoham-pirenena aza, misy tsy mahatam-bava ka nahateny fa mamalan-kira matetika ny praiminisitra. Tamin’ny farany teo izao dia nilaza tamin’ny mpanao gazety ny Dr kolo Roger fa nopotehan’ny fitondrana tetezamita ny Air Madagascar. Adinony angamba fa filohan’ny filankevi-pitantanana tao fony izy minisitry ny vola i Hery Rajaonarimampianina. Fa anisan’ny nanakianan’ny olona ity praiminisitra ity ihany koa ny nisafidianany an’Atoa Ahmad filohan’ny federasion’ny baolina kitra ho minisitry ny jono, na dia efa hita tsara izao aza ny tsy fahombiazany. Mbola ny praiminisitra ihany no sahy nilaza tamin’ny alakamisy 3 jolay lasa teo teny Andranomena fa tsy laharam-pahamehana ny fampodiana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana na dia nijoro ho olon’ny fampihavanana aza ny filoham-pirenena. Mbola teo ihany koa ny fitsidihana naharitra folo andro mahery nataon’i Kolo Roger tany Bruxelles, raha izy vao voatendry ka nampanantsoina mihitsy vao nahalala nody. Maro no mahatsapa fa manaratsy endrika isan’andro izao fitondrana efa ratsy fototra izao ny praiminisitra Kolo Roger koa raha misy ihany ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta dia mety ho lohalaharana amin’ireo ho very seza izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT