Politique

PM Jean Ravelonarivo Manisa ora sisa


  • Alarobia 06 Aprily 2016

Mazava ankehitriny fa tsy maintsy hiroso amin’ny fanoloana ny praiminisitra ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Tsy

 

fahombiazana amin’ny lafiny rehetra, izay ho azo itsarana ny governemanta Ravelonarivo. Porofon’izany ireo fanakianana sy antso avo ataon’ireo firenen-dehibe ny amin’ny tokony hisian’ny bainga azo tsapain-tanana manoloana ny ady amin’ny kolikoly, ny fandriampahalemana, ny sosialim-bahoaka ...

Manoloana izany anefa toa ataon’ny praiminisitra takalon’aina ny fiainam-pirenena. Tsy manana eritreritra ny hametra-pialana mihitsy ny tenany ary mitady izay fomba rehetra hifikirana eo amin’ny sezany. Farany teo, tany Farafangana, dia mbola nilaza indray ny praiminisitra fa nahazo ny fanohanan’ny Fiangonana Katolika eo amin’ny toerana maha praiminisitra azy, hono, ny tenany.

Fantatra, araka ny angom-baovao, fa mitsipaka izany fanohanana olona na fiandaniana aman’olona ho eo amin’ny toeran’ny praiminisitra izany ny Fiangonana. Raha tsorina ny resaka dia ny mba tsy hikitikitihana azy eo amin’ny sezany no antony nilazan’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo tamin’ireo manodidina azy tany Farafangana. Sarotra ho an’ny filoham-pirenena tokoa mantsy ny hanolo ity lehiben’ny governemanta ity raha nahazo ny tsodrano sy ny fanohanan’ny Fiangonana Katolika izy.

Etsy an-daniny, mitady izay hevitra rehetra hanenjehana ireo olona manodidina ny filoha ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ka ampiasainy avokoa ireo rafi-panjakana eo am-pelatanany toy ny IGE (Inspection Générale de l’Etat) sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Raha ny vaovao farany azo anefa dia ora sisa ny maha praiminisitra lehiben’ny governemanta ny jeneraly Jean Ravelonarivo.

Rabri

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT