Politique

PM Jean Ravelonarivo Hametra-pialana ?


  • Alakamisy 11 Febroary 2016

Lany andro ampisikinana, tsy mahita andro mihiratra ny governemanta Ravelonarivo.

 

Mihalangalana ny mpamatsy vola, fampanantenana no betsaka fa mitovana ihany ny fepetra apetrak’izy ireo vao mivoaka ny vola. Ny eritreritra sy vinavina mampandry adrisa no betsaka ny an’ny governemanta fa raha ny fanatanterahana, tsy mila mandeha alavitra fa manontany ny mponina manodidina ny lapan’i Mahazoarivo dia hazava ny valiny : ny miala no mety amin’io governemanta io !

Tsy misy zavatra mandeha eto

Vao omaly no nidina an-dalambe ny mponina teny Ambohitsoa-Boriborintany faharoa, nandoro kodiarana tao anaty arabe naneho ny tsy fahafaliany fa efa tsy zakan’izy ireo intsony ny miaina anaty haizina, amin’ny fahatapahan’ny jiro efa hatramin’ny fiandohan’ny herinandro, nefa ny tsy fandriampahalemana efa mihatra aman’aina. Eo ambanimason’ny governemanta aza moa izany no mitranga, mainka fa any ambanivolo any. Hatramin’ny Ben’ny tanàna aza mamoy ny ainy misy mitifitra ankitsirano, toy ny nahazo ny Ben’ny tanànan’i Mandronarivo, Distrikan’i Beroroka ny alatsinainy teo. Tao amin’ny Kaominina Bemanonga, Distrikan’i Morondava. Efa saika rotaka no niafaran’ny fijalian’ny tantsaha amin’ny rano hanondrahana tanimbaray ao amin’ny lemaka Delta avy amin’ny ranon’i Dabaraha. Any amin’ny Distrikan’Antsalova, tsy hita popoka any amin’izay toerana nanendrena azy ireo mpampianatra FRAM vao noraisina ho mpiasam-panjakana. Velon-taraina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny Kaominina sasany any amin’ity Distrika iray any Melaky ity fa misy efa ho roa volana ny mpampianatra no tsy hita nefa mba te hahay toy ny zana-bahoaka ny zanak’izy ireo. Sa atao zanak’ikalahafa ? Eo amin’ny fotodrafitrasa, mitoka-monina tanteraka izao ny any SAVA, fa tapaka tanteraka ny lalam-pirenena faha-5A mampitohy an’Ambilobe amin’i Vohémar. Moto no mba hany afaka mandeha, amin’izay tafakatra 2 hetsy Ariary ny sarandalan’olona iray amin’ny lalana 164km. Miakatra avokoa ny vidin’ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro, nefa ifanotofan’ny mpanambola any SAVA amin’ny lavanila sy ny andramena, ary faritra manana otrikarena maro rahateo, ahitana volamena … Ny lalam-pirenena faha-9 aza moa dia tena mitafy henatra io governemanta io amin’ny fanamarihana ataon’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana, izay mpiara-miombon’antoka ara-bola amin’ny fanamboarana azy, fa tsy mahaloa ny anjara tokony hefainy ny fanjakana malagasy, hany ka mikatso izao ny asa.  Any Atsimo indray dia kere izao no resaka. Mahagaga sy mahazendana anefa fa mandà ny fisian’izany ny mpitondra, nefa ny mponina any amin’ny Kaominina Anjampale, Faux-Cap, Nikoly ao anatin’ny Distrikan’i Tsihombe raha tsy hitanisa afa-tsy ireo, dia efa tena miantso vonjy fa kere ‘ty ndaty, misedra ny mafy noho ny hain-tany sy ny tsy fisian’ny hanin-kohanina.

Manaja tena

Ka mbola misy governemanta ve eto e ? Ny kolikoly, efa tena mampiteny ny moana ny zava-misy tsy arakaraka ny ramatahora ka nilazany fa « Tolérance zéro » teny ampandraisan’ny praiminisitra Ravelonarivo ny asany taorian’ny fanendrena azy ho lehiben’ny governemanta herintaona lasa izay. Miteny ho azy ny tarehimarika, 94%-n’ny tanjona nofaritany no vitan’ny governemantany raha asa nanao 100 andro voalohany izy, nihemotra ho 87% indray izany taorian’ny 100 andro faharoa. Ny ekipa mahomby no fitazona, ary ny tena demokraty mametra-pialana rehefa tsy mamokatra sy tsy mahavita azy. Ny fisian’ny sonia 105, nitaky ny hanaovana fitsipaham-pitokisana ny governemanta nandeha teny amin’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny taon-dasa ireny ihany koa efa midika zavatra ka tsy mandaitra eto ny hoe : ny jeneraly tsy mitsoak’ady !


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT