Politique

PM Beriziky – Dr Joseph Nifanao veloma omaly


  • Alakamisy 09 Aogositra 2012

Vita omaly alarobaia 08 aogositra tolakandro tao Antsahavola, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Dr Randriamiarisoa Joseph, Minisitry ny tontolo iainana sy ny ala, nesorin’i Andry Rajoelina tamin’ny toerany ny 14 aprily 2012 sy ny praiminisitra lehiben’ny governemantan’ny firaisam-pirenena, Beriziky Jean Omer.

 Ity farany izay handray an-tanana vonjimaika ny fitantanana io ministera io, mandra-panendry ny minisitra vaovao. Raha ny tondrozotra nosoniavina tamin’ny 17 septambra 2011 sy efa lasa lalàna, dia olona avy amin’ny ankolafy nanolotra ny minisitra niala na nesorina no tendrena amin’io toerana io. Olon’ny ankolafy Zafy Albert ny Dr Randriamiarisoa Joseph. Nilaza anefa io ankolafy io, izay iray amin’ireo nanao sonia ny tondrozotra, fa tsy manana olona ao anaty governemanta, koa dia andrasana ny ankolafy hameno ny banga na horaisin’ny Praiminisitra an-tanana mandra-pifaran’ny tetezamita ny fitantanana io ministera io. Nilaza moa ny praiminisitra fa dia hanohy ny asa efa natomboky ny teo alohany. Anisan’ny raharaha miandry ny praiminisitra ao ny mikasika ireo “bois de rose” enina kaontenera mihitsoka atsy Maorisy, ny amin’ireo 12 kaontenera nisy nanondrana an-tsokosoko tany Singapour, ny amin’ireo hazo an-jatony kaontenera nihitsoka ao amin’ny Port Mahajanga, ny raharaha Fanalamanga …

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT