Vita tanteraka tamin`ny herinandro lasa teo iny ny fandrafetana ny “plan Emergence Madagascar” (PEM) ka andrasana ny fampahafantarana izany amin`ny fomba ofisialy.
Ny PEM no mamaritra ny politika ankapoben`ny fitondrana Rajoelina. Miisa 113 pejy izany drafitra izany izay hampanarahana ny fenitra amin`ireo firenena “emergents” rehefa mifarana ny fe-potoam-piasan`ny filoham-pirenena. Raha tsiahivina, ny programasan`ny filoha Rajoelina dia miompana amin`ny indostria sy fizahantany. Velirano 13 no napetraky ny filoha ka anisany ny fanabeazana ho an`ny daholobe, fahasalamana ho an`ny rehetra sy asa mendrika sy mahavelona, amin`ny alalan`ny fampiroboroboana ny indostria sy ny lafiny fizahantany. Midika izany fa mila fotodrafitrasa goavana dia ny fametrahana lalamby 869 km hatramin`ny taona 2023, fananganana fonja manaraka fenitra. Eo ihany koa ny fanorenana ifotony ireo andrim-panjakana toy ny fitsarana, ny ady amin`ny kolikoly sy ny fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko. Ireo voalaza ireo no paikady entin`ny fanjakana hamahana ny Malagasy ao anatin`ny fahantrana. Manaratsy endrika ny fitondrana aloha ny fanoherana ny fananganana tanàna vaovao eny Ambohitrimanjaka satria zava-dehibe ny fandresen-dahatra mpamatsy vola raha toa ka tetikasa fototra no toherin`ny vahoaka. Mitentina 600 tapitrisa dolara ny fanatanterahana ny Tanamasoandro kanefa io fanoherana nandritra ny herintaona io dia sakana ho an`ny mpanatanteraka. Etsy an-kilany, ireo mpamatsy vola sasany dia efa nilaza fa tsy mazava ny PEM. Nandritra ny atrikasa natokana ho amin`ny famolavolana io drafitra io ny volana oktobra lasa teo, dia nilaza ny mpamatsy vola iray hoe “Mionona sy mifototra amina petra-kevitra toy ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin`ireo mpamatsy vola tsy miankina fotsiny ny fitondrana”. Etsy an-daniny, nampidirina tao anatin`ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) taona 2020 ny tetibola ho an`ny andiany voalohany ao anatin`ny PEM. Betsaka anefa ny tsikera io LFI 2020 io. “ny 770 miliara ariary dia natokana amina sehatra tsy mazava. 8,4%-n`ny tetibola dia tsy fantatra izay ampiasana azy”, hoy i Hony Radert, sekretera jeneralin`ny CCOC. Eo ihany koa ilay “pret commercial” mitentina 211 miliara ariary hatokana hananganana hopitaly. Tsy hasian-teny intsony ny “fonds souverains”. Ny fandrafetana io PEM io koa no nahatara ny fandinihana ny LFI 2020. Asa aloha izay vokany aorian`ny fampahafantarana ofisialy fa ny IEM dia efa tao an-dohan`ny filoha Rajoelina tamin`ny taona 2017. Inona izany no nitondrany ny firenena tao anatin`ny taona ny taona iray ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.