Hevi-dehibe telo no nifantohan’ny fiaraha-midinika andiany faha-16 teo amin’ny governemanta Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka mikasika ny fampandrosoana omaly teny Mahazoarivo.
Nisongadina tamin’izany ny fanambarana nataon’ny praiminisitra Ntsay Christian fa « tsy hofoanana akory ny PSE (Plan Sectoriel de l’Education ) saingy hampifanarahana amin’ny vina apetraky ny filoham-pirenena sy ny zavatra takian’ny vanim-potoana misy, mba hanatrarana ireo tanjona napetraka ». Maro amin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika mantsy no manampy betsaka amin’ny fanatanterahana azy io ka tsy azo foanana tampotampoka eo. Fa noresahana ihany koa ny fiomanana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ireo mpikambana eo anivon’ny filankevitry ny tanàna, ny Plan Emergence Madagascar. Mahakasika ny fiomanana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna dia nanambara ny lehiben’ny governemanta fa mahatsapa ny fahatomombanana sy filaminan’ny zotra anomanantsika io fifidianana io ireo mpiara-miombon’antoka ka naneho ny fankasitrahany an’i Madagasikara. Eo amin’ny lafiny tetibola momba ny fanomanana sy fikarakarana kosa, dia volam-panjakana no nampiasaina saingy misy ihany ny fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny alalan’ny tetikasa SACEM. Eo amin’izay fikarakarana izay dia mifandrimbona ny CENI sy ireo minisitera voakasika, eo amin’ny asa fanatanterahana, ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana ary ny fitsarana. Anisan’ny nodinihina nandritra ity fihaonana faha-16 ity, ny mikasika ny Plan Emergence Madagascar (PEM) na Programan’asa ho fisandratan’i Madagasikara izay teti-pampandrosoana mifanaraka amin’ireo vina napetraky ny filohan’ny Repoblika hotanterahina ao anatin’ny 5 taona. Nandritra ny fifanakalozana dia naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana izany ireo mpiara-miombon’antoka. Nilaza ny praiminisitra fa mbola mitohy ny fakan-kevitra hijerena ireo laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana, na eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena na eo amin’ny sehatra tsy miankina, ary horaisina raha toa misy fanamarihana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka aza, ary tsy ho ela dia harafitra ilay drafi-pampandrosoana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.