“Niady isika vao tonga ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao. Mila fifamelana isika vao misy ny filaminana takian’ny vondrona iraisam-pirenena sy ny fepetra ilaina amin’ny fifidianana eto amintsika”.
Izay no anisan’ny nambaran’ny minisitry ny raharaham-bahiny sady filoha mpanorina ny fikambanana politika MDM, Pierrot Rajaonarivelo, tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Nizara roa mazava tsara ny dia. Teo aloha ny fihaonany tamin’ireo solontenam-panjakana sy ireo tomponandraikitra samihafa nentiny nanazavana ny voarakitry ny tondrozotra sy ny raharaham-pirenena ary ny fivoaran’ny lalana famahana ny krizy. Tao amin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana no nanaovany izany, saingy zara raha namaly ny antso ireo talem-paritra, tsy tonga ireo sefo Fokontany sy lehiben’ny boriborintany. Anisan’ny anton-dian’i Pierrot Rajaonarivelo tao Toamasina ihany koa ny fankalazana ny faharoa taona nijoroan’ny MDM (Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) sy ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao niarahany tamin’ireo mpiara-dia aminy. Lanonana natao tao amin’ny trano fisakafoanana “Le Bateau Ivre” niarahan’ireo mpikatroka MDM Toamasina sy ireo solontena avy amin’ny faritra hafa.
Nambaran’i Pierrot Rajaonarivelo fa nanao sonia ny tondrozotra efa lasa lalàna ny MDM, ka manana mpikambana miisa 20 ao amin’ny Kongresy sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita miisa 10 ary minisitra 02 dia ny tenany sy ny minisitry ny tanora sy alavoly, Andriantiana Jacques Ulrich. Ankoatra izay dia nasainy niomana ny mpikambana ny MDM eo amin’ny fiatrehana ny fifidianana. “Tsy misy vahaolana tsara indrindra ialana amin’ny krizy raha tsy ny safidim-bahoaka sy famoahan’ny Malagasy ny tena heviny”, hoy hatrany i Pierrot Rajaonarivelo namarana ny teniny sy hafany ho an’ny rehetra.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.