Raha tsy mitandrina isika dia ho sarotra ny vokatry ny zava-misy lalovan’ny firenena ankehitriny no sady mety hovidian-dafo ihany koa ny hanarenana azy, hoy i Pierrot Rajaonarivelo, kandidan’ny antoko MDM na Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.
Zavatra roa loha no nanosika ity kandida ity niteny izany omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy toy ny fikasan’ny rehetra hanao fifidianana malalaka sy mangarahara nefa narahina fandikan-dalàna sahady izay ny filohan’ny FAT mihitsy no nanome modely ankoatra ny fisian’ilay fehin-kevitra nivoaka niarahana tamin’ny FFKM dia ny hisian’ny tetezamita vaovao izany. Manahy mafy ny mety hisian’ny tetezamita tsy misy fiafarany ity kandida ity. Efa be loatra mantsy izay diniky ny samy Malagasy natao nandritra ny efa-taona izay saingy toa tsy misy antony amin’ny sasany akory ny mivadika amin’ny teny nekeny sy nomeny.
Manoloana izany dia nanolotra soso-kevitra maromaro ny MDM mba hahafahan’ny firenena mivoaka amin’izao krizy lalovany izao. Anisan’izany ny tsy fikitihana intsony ny lamina sy ny datim-pifidianana efa voafaritry ny CENI-T sy ny tsy fikitihana intsony ny programa ary ny rafitra efa misy fa ny mpanatanteraka no ovaina raha tsy mahavita ny adidy aman’andraikitra nankinina aminy. Fahatelo sady farany dia ny faneken’ireo mpikambana ao amin’ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana hiala amin’ny toerany raha mahatsiaro tena ho nandika lalana satria olona nahavita fianianana izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy tokony hanakambanana intsony ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sy ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana mba tsy hisian’ny fifangaroan-javatra intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.