Taorian’i Fianarantsoa dia teny amin’ny kianja maitso Bevalala indray no nihaona sy nitafa tamin’ireo mpikatroka Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara sy ireo komity mpanohana ny kandida Pierrot Rajaonarivelo ny sabotsy 07 septambra 2013 teo.
Nandritra ny lahateniny no nanambarany ny tokony handraisan’ny rehetra ny andraikiny, ka hanefa ny adidiny amin’ny alalan’ny fifidianana. Mizotra mankany amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ankehitriny ny vahoaka Malagasy mba hamaranana amin’izay ny tetezamita, hialana amin’izao krizy iainan’ny firenena izao. Mbola nantitranterin’i Pierrot Rajaonarivelo hatrany ny fahavononany hamadika ny pejy hialan’ny firenena ao anatin’izao fahantrana izao. Ankoatra izay, nisy ny fanomezana toromarika teny an-toerana momba ny fampiasana ny vato tokana, sy ny andraikitr’ireo olona ao anaty birao fandatsaham-bato, hialana amin’ny hala-bato sy ny fangalarana amin’ny endriny maro samihafa. Marihina fa ny mpikatroka avy amin’ny Distrikan’Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo, ary Vakinankaratra no nandray anjara tamin’ity hetsika ity.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.