Pierrot Rajaonarivelo

> Milaza ny hanarina ireo orinasa nikatona sy potika


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2013

Toamasina no nanohizan’ny kandida Pierrot Rajaonarivelo ny fampielezan-keviny ny sabotsy teo, teo amin’ny kianjan’ny lycée teknika Tanambao V.

Nandritra izany no nilazany fa hanarina ireo orinasa nikatona sy potika tao anatin’izao krizy izao, mba hananan’ny tanoran’i Toamasina sy ny tanora Malagasy asa. Nomarihany koa fa “hapetraka ny Repoblika manome lanja ny fitsinjaram-pahefana; ka omena ny faritany sy ny isam-paritra ny 50%-n’ny tetibolam-panjakana hisian’ny firindran’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena”. Momba ny orinasa Ambatovy dia nolazain’ity kandida ity havaozina ny fifanarahana nifanaovan’ny fanjakana taminy mba hisy voka-tsoa bebe kokoa ho an’ny Malagasy ny hareny, ary ny 80% ny mpiasa ao koa dia tokony ho zanak’i Toamasina mampiantrano ny orinasa. Niara-dia tamin’i Tonton Sôla tao Toamasina i Jose Vianey sy Imbiky Anaclet ary Lemalade Eric, izay mpiara-miasa tamin’ny filoha teo aloha Ratsiraka Didier avokoa.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT