Pierrot Rajaonarivelo

> Fehezina ny vidim-bary


  • Alarobia 09 Oktobra 2013

Ny renivohitr’i Vakinankaratra indray no nosafidian’ny kandidàn’ny MDM, Atoa Pierrot Rajaonarivelo notsidihina omaly talata. Nambarany tamin’ireo vahoaka nihaona taminy fa tany mamokatra sy mandroso i Vakinankaratra ka tokony hampiana sy tohanana.

Zavatra roa
no nambarany fa hapetraka ao Vakinankaratra. Anisan’izany ny « Birao ho fifehezana ny vidim-bary » (Bureau de stabilisation de prix du riz) izay efa fepetra noraisina tamin’ny andron’ny repobilika voalohany. I Vakinakaratra sy Alaotra Mangoro no tokony hisy izany
mba tsy hiakaran’ny vidim-bary manerana ny Nosy. Nolazainy fa tao Vakinankaratra no nanambarany izany voalohany. Ankoatra izay dia nambarany fa mila sokafana sy ampiana ireo orinasa mpanodina vokatra fambolena sy fiompiana toy ny vokatra ronono. Nanana ny lazany mantsy izany tao Vakinankaratra. Anisan’ny nasongadiny moa ny filazana ny hametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy mba hampifandanjana ny tena fampandrosoana satria tsy mitovy ny zava-misy ao amin’ny faritra tsirairay. Nahatsiaro manokana an’i Tompokovavy Bebe Razay renin-dRamatoa Lalao Ravalomanana moa ny tenany ka dia nisy ny fangatahany iray minitra fahanginana nialoha ny nandraisany fitenenana.


Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT