Nisafidy ny hampianatra aho fa tsy hitokona eny amin’ny oniversite, hoy i Pierre Andrianantenaina mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST), satria tsy afaka hanao takalon’aina ny mpianatra.
Misy fetrany ihany ny fanaovana fitokonana, hoy izy, fa raha mitokona ianao nefa mandray ny tambin-karama fandrainao dia tsy mety izany. Ny mpampianatra mpikaroka izay mahazo ireo tombontsoa samihafa fandrainy amin’izao fotoana izao dia miasa amin’izao fotoana izao tahaka ny any amin’ny CRO, CNRIT, CNRE ary ny FOFIFA. Ka amiko dia tsy mety io fitokonana io. Izaho kosa anefa dia momba ny fitakiana iombonanay rehetra fa ny fanaovana azy no tsy mety fa manohintohina ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Ary izaho koa, hoy hatrany i Pierre Andrianantenaina, dia mahita mpampianatra miasa mampianatra any ivelan’ny oniveristem-panjakana izay kely ny karamany raisiny any noho ny omen’ny fanjakana azy ka tsy mety izany.
Farany dia eto amintsika eto Madagasikara ihany no mbola misy izany hoe rehefa mitokona dia mbola mandray hatrany ny karama amin’ny fe-potoana anaovany an’izany, tokony ho eritreretina koa izany fa tsy mety intsony. Koa amiko ny vahaolana dia alaina ny lisitr’ireo mpianatra tsy mbola nahavita ny fampianarany sy ny fanadinana dia ho hita eo ny hatao fa amiko dia tsy maintsy mampianatra ny mpampianatra fa karazan’ny tsy manara-dalàna intsony ny amin’izao fotoana izao. Amin’ny maha mpanao lalàna ahy no anambarako izany, hoy i Pierre Andrianantenaina. Marihiko, hoy ity farany, fa amin’ireo mpampianatra SECES ireo dia efa misy ny nahavita ny fampianarany sy ny fanadinan’ny mpianany tahaka anay sy ny mpampianatra maro hafa nefa dia mampirisika an’ireo tsy mbola nahavita ny azy hitokona hatrany ka heveriko fa tsy mety izany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.