Politique

Pierre Andrianantenaina Fitoniam-bahoaka no ilaina fa tsy fitonian’ny mpanao politika


  • Alakamisy 04 Aprily 2013

Efa hatramin’ny taona maro izahay antoko Farimbona ho an’i Madagasikara tarihako no vonona amin’ny fifidianana, hoy Atoa Pierre Andrianantenaina, fa io ihany no vahaolana ivoahana amin’izao krizy politika misy izao.

 Efa notsikerainay foana, hoy izy, ny filazana atsanga tsy aman’orana milaza fa hoe : tsy misy fitoniana, tsy misy fitoniana io ka tsy miroso amin’ny fifidianana. Fitoniam-bahoaka no ilaina, hoy ity mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambon’ny tetezamita ity, fa tsy fitonian’ny mpanao politika. Tsy marina izany tsy fitoniana izany raha aty amin’ny Ankolafy misy anay, hoy izy, fa izahay efa nitaky foana ny hisian’ny fifidianana haingana dia haingana fa ireo mpanohitra no te hifikitra ka mbola hotsarain’ny tantara eo ihany. Raha ny resaka fiverenan-dRtoa Lalao Ravalomanana an-tanindrazana dia  efa ela aho no nilaza, hoy ity CST avy eny amin’ny Boriborintany faha-6 ity, fa efa ela ity vadin’ny filoha teo aloha ity no te hody ary izy rahateo olona tsy nanota raha ny marina no sady Malagasy ray Malagasy reny ka tsy hitako izay olana amin’izany fa nahagaga ahy fotsiny hoe : inona no nandavany ny fepetra napetraky ny mpitondra tetezamita ? Ankehitriny izy efa olona afaka (femme libérée) fa ilay silany kosa dia misy kanotabe miandry azy.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT