Nitondra ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena i Pety Rakotoniaina, filoha nasionalin’ny Antoko Tambatra, omaly.
Nilaza ny tenany fa tsy noterena i Hery Rajaonarimampianina hitondra ny firenena ka tsy tokony hiala bala lava manoloana ny olana mianjady amin’i Madagasikara ankehitriny, hoy i Pety Rakotoniaina. Notsiahiviny nandritra ny fanehoan-keviny ny fampanantenana nataon’i Hery Rajaonarimampianina fony izy nirotsaka kandida fa 3 volana dia hivaha ny delestazy saingy tsy nivaha mandrak’androany. Tsy nisalasala ihany koa izy nilaza fa mpamafy lainga ny praiminisitra izay mampanantena lava ny hivahan'ny olan'ny herinaratra eto Madagasikara. Toa zary kabary ambony latabatra sy kobaka am-bava no atrany no afafin’ny mpitondra, fa izay tena asa mivaingana sy ny finiavana hamaha ny olam-bahoaka tsy dia hita soritra firy. Rehefa misy ny asa nampanantenaina hatao kanefa tsy tanteraka dia ny fanilihana ny tsy fahombiazana any amin’ny mpitondra teo alohan’ny tena hatrany no talenta fa tsy mijoro amin’ny maha tompon’ andraikitra, hany ka vitsy no miteny fa fanjakana tsy misy hazon-damosina no eto.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.