Politique

Pety Rakotoniaina Tsy tokony hitondra intsony izay naloam-bahoaka


  • Alatsinainy 13 Febroary 2012

Tahotra sa fankahalana an-dRavalomanana ?

 Raha tsy nahenoan-kevitra momba ny raharam-pirenena mihitsy ny antoko Tambatra nandritra ny fotoana naharitra dia ny resaka momba ny filoha teo aloha no niompanan’ny valandresaka nataony sabotsy lasa teo. Tamin’izay no nilazan’i Pety Rakotoniaina fa na dia nanaiky ny fiverenan’ny filoha teo aloha an-tanindrazana aza ny antokony teo aloha dia mahatsapa indray rehefa mandinika ny fivoaran’ny raharaham-pirenena fa hitondra korontana izany raha tanteraka. “Mety hitondra ady an-trano ny fodiany satria toy ny mpitari-tafika no fahitana ny fihetsiny.

Tsy mahagaga izany satria raisiny ho fandresena ny fiverenany eto”, hoy ny PDS-n’ny Kaominina Fianarantsoa. Ankoatra izay dia nambarany koa fa mila miaiky heloka aloha ny filoha Marc Ravalomanana vao mahazo famotsoran-keloka. Tsy mbola levon’ny vavonin’i Pety Rakotoniaina mihitsy izany ity filoha teo aloha ity. Ary mitady izay fomba rehetra ahafahana manakana azy tsy hisedra fifidianana ireo mpifanandrina aminy ara-politika toa an-dry Pety Rakotoniaina. Mihevitra koa mantsy ity farany fa tsy tokony havela hitondra intsony izay naloam-bahoaka. Na dia tsy nanonona anarana mivantana mantsy ny tenany dia ny filoha Ravalomanana no tiany hambara amin’izany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT