Politique

Pety Rakotoniaina Nofinofy ny fifidianana amin’izao toe-draharaha izao


  • Talata 12 Jona 2012

Fotoana naharitra no tsy nahenoana ny Pds- n’i Fianarantsoa teo amin’ny sehatra ara-politika. Naneho ny heviny momba ny raharaha mafana amin’izao fotoana ny tenany.

 Nanolotra sosokevitra hamahana ny fikorontanan’ny fampianarana ankehitriny i Pety Rakotoniaina amin’ny alalan’ny fanatontosana fivoriana iarahan’ny fanjakana, ny sendikan’ny mpampianatra ary ny vondrona politika nanao sonia ny tondrozotra. “Tsy azo atao sorona na atao takalon’aina ny hoavin’ny kilonga. Ny anton’ilay fiaraha-midinika amin’ny mpanao politika dia mba hiaraka hanapa-kevitra momba ny karama sy ny tombontsoan’ny mpampianatra ka tsy hisian’ny fitsipahana mety hataon’ireto farany izany rehefa tonga ny repoblika fahefatra anatanterahana azy. Avoaka didim-panjakana ireo hevitra tapaka ireo. ”, hoy ny filohan’ny antoko Tambatra. Nilaza koa ny tenany fa mbola maro ny sekolim-panjakana manerana ny nosy no tsy mianatra amin’izao fotoana araka ny tatitra azony ka tsy mety raha terena fotsiny ny fanadinana.

Mila manao fanambarana dieny izao ny fanjakana fa tsy midika fitazonana ny datim-panadinana ny fanatontosana ny adina ara-panatanjahantena Bepc sy Bacc amin’izao. Milaza koa i Pety Rakotoniaina fa fe-potoana 2 na 3 volana no ilaina hamitana ny fandaharam-pianarana ara-dalàna fa tsy “rattrapage” akory. Nampifandraisiny amin’ny raharaha politika io fanazavan-keviny io ka nilazany fa nofinofy sy resaka ambony latabatra ny fanatontosana fifidianana amin’izao noho io korontana eo amin’ny fanabeazana io sy ny tsy fandriampahalemana izay manjaka na aiza na aiza .Tsy naneho hevitra mivantana momba ny fihaonan-dRajoelina sy Ravalomanana kosa ingahy Pds. Manaiky ny fodian’ny filoha teo aloha an-tanindrazana anefa ny tenany saingy tokony hijanona ho olon-tsotra toy ny raiamandreny ity farany fa tsy manao politika intsony, hoy i Pety.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT