Politique

Pety Rakotoniaina « Mandainga Rajoelina ! »


  • Alarobia 07 Martsa 2018

Nahoraka ery ny fanambarana ny vinan’i Andry Nirina Rajoelina na ny « Initiative pour l’émergence de Madagascar » tany ivelany ary mbola ireharehan’ny mpomba azy mandraka izao.

Vaky ihany anefa ny nafenina, ankehitriny, satria ny mpahalala ny fototra niaingan’ny tsirin-kevitra nitarina tao mihitsy no nanaporofo ny zava-drehetra. « Mandainga i Andry Nirina Rajoelina fa tsy drafitra noforoniny mihitsy ny IEM fa hala-tahaka ny votoatin’ny boky nosoratan-dRakotonirainy Germain, mpitarika tao amin’ny antoko MFM fony fahavelony fotsiny », hoy i Pety Rakotoniaina omaly teto an-drenivohitra. Notsiahivin’ity filoha nasionalin’ny antoko Tambatra ity fa taiza ara-politikan’i Germain izy tamin’ny fotoan’androny ary niondana ny foto-keviny mihitsy ka ny boky « Tantely afa-drakotra » ihany io navadika teny frantsay nomena anarana hafa io, hoy izy. Mbola nivoy ireo foto-kevitra noraketin’ny bokin’i Germain Rakotonirainy ireo talohan-dRajoelina aza, hoy izy, ny antoko Tambatra ary betsaka ny mahatadidy ny namoahana izany natetika tamin’ny fihaonana ara-politika isan-karazany teto amin’ny firenena.

Nokianin’i Pety Rakotoniaina ihany koa ny fifonana nataon-dRajoelina satria tsy nibaboka ny fahadisoany rehetra tamin’ny vahoaka araka ny tokony ho izy io filohan’ny tetezamita io, hoy izy. Niaiky ny firoboroboan’ny fanondranana andramena nandritra ny fotoana nitondrany izy, hoy izy, nefa tsy nifona an’izany tamin’ny vahoaka fa nanilika ny andraikitra tamin’ny minisitra Joseph Randriamiarisoa izay nisahana ny tontolo iainana nandritra ny 5 volana fotsiny. « Fanohizana ny fanenjehana ny zanaky ny faritra Betsileo ataon’ny fitondrana ankehitriny io nataon-dRajoelina io ka tsipahinay ary itakianay fanadihadian’ny Bianco mikasika ny tombam-pananan’ireo mpitondra rehetra nandritra ny tetezamita, hahafantarana izay nihinana vidina andramena marina », hoy i Pety Rakotoniaina, omaly.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT