Miparitaka eto amintsika indray ny karazana basy antsoina hoe “Mavo”, izay novokarin’ny sinoa.
Basy marika kalaky ary bory vody io basy io, fa tsy toy ny hita eny am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana Malagasy, raha ny fanomezam-baovaon’i Pety Rakotoniaina, mpanao politika sady filohan’ny antoko Tambatra. Ny mahagaga sy mahatalanjona dia ny nahatongavan’io karazana basy io teto Madagasikara, ary ny tena mahazendana dia ny hoe nahoana no eny am-pelatanan’ny dahalo no ahitana azy voalohany ? Nananamafy mantsy ny antoko tamin’ny alalan’ny filohany, Pety Rakotoniaina ihany, fa ny dahalo no mampiasa io karazana fitaovam-piadiana io. Tsy avy amin’ny mpitandro ny filaminana io basy io fa avy amin’ny sinoa na avy amina gasy manana fifandraisana amin’ny sinoa. Mampametra-panontaniana hoe nahoana ny dahalo no mampiasa azy ? Efa maro no velon’ahiahy amin’ny fihetsiky ny sinoa amin’ny alalan’ny tetikasa fanondranana omby sy ny tetikasa goavana mikasika ny fiompiana omby any amin’iny faritra atsimotsimon’ny nosy iny. Fifanandrifian-javatra ihany ve ny resaka fampiasan’ny dahalo basy vita sinoa sa misy ny tsikombakomba sy kopaka isasahana, ka mety hampitombina ny ahiahy hatry ny ela hoe miara-miombon’antoka amin’ny sinoa ny dahalo eto amintsika ?
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.