Nohitrikitrihan'Atoa Pety Rakotoniaina filohan'ny antoko politika Tambatra, izay mandalo eto an-drenivohitra amin'izao fiandohan'ny taona 2017 izao fa tena lany andro ny lalŕmpanorenana Malagasy misy eto amintsika amin'izao fotoana izao ka tsy ahafahana mampandroso velively ny firenena Malagasy.
Manome tombony manokana ny mpitondra ankehitriny ny votoatin'io lalàmpanorenana iainana io, hoy izy, ary manome vahana ny fampanjakana ny didy jadona. Tsy voafaritra mazava ao anatiny koa ny amin'ny fepetra tokony ho raisin'ny fitondrana Malagasy, hoy izy, manoloana ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany Malagasy ka hanjakan'ny gaboraraka sy ny vahiny tanteraka ny amin'io. Nambarany fa mitana ny fotokevitra ijoroany dia ny maha-antoko mpanohitra azy,araka izany, ny antoko Tambatra tarihany. Tsy afaka hiroso amin'ny "Refondation totale de la nation" takian-dry zareo hampiharina eto amin'ny firenena velively raha izao fitondrana misy izao, hoy ihany Atoa Pety Rakotoniana. Tsy misy ny mangarahara tanteraka eo anivon'ny rafitra mangaika mitondra ity firenena ity ankehitriny satria mbola eo ambany vahohon'ny filoham-pirenenena am-perinasa avokoa izy rehetra raha tsy hiteny afa-tsy ny HCC sy ny Fitsarana isan-tsokajiny isika. Farany, mijoro ho mpanohitra hatrany izahay satria nahatsapa rehefa nanao ny famakafana ny toe-draharam-pirenena mahazatra anay, fa tsy mamaha velively ny maharary ny vahoaka Malagasy izao fitondrana izao fa variana amin'ny zavatra hafa. Tokony handinin-tena izy ireo noho izany, hoy ity mpitarika ny antoko Tambatra ity ka hanm-piniavana hametra-pialana fa tsy mahatanteraka ny andraikitra nankinina taminy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.