Raha tsy misy ny fiovana dia hiakatra tribonaly rahampitso 26 martsa 2016 i Pety Rakotoniaina, raha ny loharanom-baovao iray.
Ny 17 oktobra 2018 ny tenany no naiditra am-ponja rehefa nosamborina tany Camp Robin, làlana mihazo an’i Fianarantsoa iray andro nialohan’io nampidirana azy am-ponja vonjimaika io. Nambara fa nanangana fanjakana tao anaty fanjakana sy nanohintohina ny filaminana anatiny i Pety Rakotoniaina tamin’izany fotoana izany, ka ny fanjakana no nampisambotra azy. Ny 14 oktobra rahateo no nisian’ilay hetsika nilazana teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina, izay nilazana ny fitsanganan’ny fanjakana Gasy noresahin’ireo lohandohan’ny mpisorona tao anatin’ny HFI (Hetsiky ny Fanorenana Ifotony), ka tafiditra tao anatin’io vovonana politika i Pety Rakotoniaina. Nosomborina tamin’izay fotoana izay i Rainidiana Rajoharison, saingy navotsotra fotoana fohy taty aoriana. Nafana ny fanehoan-kevitra nataon’i Pety Rakotoniaina tamin’ireny fotoana ireny, izay nanakiana ny fanatanterahana ny fifidianana. Efa tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana isika tamin’izany fotoana izany, ka isan’ny nanakiana mafy an-dRajoelina ny tenany, izay isan’ny nametraka fitoriana sy nilaza fa tsy mendrika ny ho filoham-pirenena ny filohan’ny tetezamita teo aloha noho ny afera samihafa sy ny fanangonan-karena tamin’ny fomba tsy ara-drariny. Nitory an-dRajoelina ny tenany, narahAn’ny kandida filoha tahaka an-dRandriamorasata Solo Norbert, saingy nolavina sy tsy norarahiana izany. Efa filoha mpisolo toerana no nitondra ny tany sy ny fanjakana dia Atoa Rivo Rakotovao. Niova ny fanjakana taty aoriana, ka tafakatra eo amin’ny fitondrana ilay kandida nokihaniny mafy. Hahita mangirana ve I Pety Rakotoniaina sa halentika tanteraka any am-ponja ? Volana vitsivitsy rahateo no efa nitazonana azy am-ponja vonjimaika tsy nisy fitsarana. Mazava aloha raha ny lojika politika, fa fahavalo politikan’ny filoha ankehitriny izy. E fa io iaraha-mahita io ny fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra ka anisan’ny mety hahita loza i Pety Rakotoniaina. Ny fitsarana anefa no tompon’ny teny farany, ka andrasana izay hiseho.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.