Politique

Pety Rakotoniaina Hanorim-ponenana any am-ponja ?


  • Alarobia 27 Martsa 2019

Naverina teny am-ponja indray i Pety Rakotoniaina rehefa avy notsaraina omaly teny Anosy.

 

Amin’ny 02 aprily ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana mahakasika azy sy Rainidina izay mpiara-mitolona taminy. Nosamborina tetsy Andohan’Analakely Rainidiana Rajoharison ny 14 oktobra 2018 rehefa nitarika olona ny hanao fihetsiketsehana politika nambara fa tsy nahazoana alalana. Fanohintohinana ny filaminana anatiny, fanakorontanana ny saim-bahoaka ny vesatra iampangana azy ireo, izay nolazaina fa manangana fanjakana ao anaty fanjakana. Ny 17 oktobra 2018 no nisamborana an’i Pety Rakotoniaina, izay nohadihadiana fotoana fohy teny amin’ny mpitandro filaminana ary nadoboka am-ponja. Dimy volana aty aoriana vao niakatra fitsarana, saingy io mbola miandry ny rariny io. Asa aloha na hahita rirany sy ho afa-bela ny tenany satria raha ny lonilony ara-politika, dia tsy levon’ny vavonin’ny mpitondra ankehitriny ny tenany. Hiverenana hatrany fa nitory sy naneho hevitra nasiatsiaka i Pety Rakotoniaina, fa tsy mendrika ny ho filoham-pirenena i Andry Rajoelina, izay nokianiny mafy tamina resaka fanangonan-karena tamin’ny fomba tsy mazava sy tsy mendrika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT