Miova sata, miova Andriana. Pds voalohany nesorin’ny fitondrana amin’ny andraikitra sahaniny i Pety Rakotoniaina izay nitantana ny tanànan’i Fianarantsoa nandritra ny Tetezamita.....
Ny 25 jona 2014 no nivoaka ny fanapahan-kevitra manaisotra azy amin’ny toerany. Amin’ny maha olom-boatendry azy dia ara-dalàna tanteraka ny fanapahan-kevitry ny fanjakana. Misy rahateo koa ny madilana hotentenina momba ny fitantanany. Nanenjehana azy fatratra ny tsy fandoavany ny karaman’ny mpiasan’ny Kaominina izay efa mahatratra herintaona mahery . Vao 2 volana no nanomboka nandray asa ireo mpiasa ireo raha nitokona foana ka tena sahirana ny mponina. Amin’izao fotoana vao mikarakara ny kopiam-pahaterahan’ireo zaza teraka tamin’ny 2013 ny Kaominina. Antony faharoa tena nanenjehan’ny mponin’ny renivohitr’i Matsiatra ambony azy koa ny fanomezana an’olon-tsotra tany maro manamorona ny lalam-pirenena faha 7 manakaiky ny toby fiantsonana nasionaly. Efa misy trano mijoalajoala amin’ireo toerana ireo amin’izao. Miandrandra mpitondra tena mijery ny olany ny vahoaka sy ny mpiasan’ny Kaominina ka ho hita eo izay hataon’ny pds mpandimby azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.