“Tsy hisy fifidianana hamaha krizy izany eto, vao mainka hisy fifamonoana sy ady hifandritahana eto aorian’ny 25 oktobra, satria tsy ho lany eo ireo kandidam-panjakana sy ireo kandidan’ny fitondrana tetezamita, ka tsy hanaiky izany amin’ny fafikatrana ara-bola ataony io”.
Izay no nambaran’Atoa Pety Rakotoniaina mpandrindra ny vovonana “Malagasy ho an’ny Tanindrazany”, tonga nanazava ny hevitr’izy ireo tao Toamasina ny sabotsy tolakandro teo. “Fiaiken-keloka, Fibebahana, Fifamelana, Fifankatiavana, miampy ny fametrahana rafitra araka ny lalàna amin’ny fifidianana lalampanorenana tena eken’ny Malagasy ihany no vahaolana eto”, hoy izy ireo nanentana ny olona. Voalaza fa hanao fihaonambe eto Antananarivo ireo mpanohana ny hevitry ny “Malagasy ho an’ny tanindrazany” ny alarobia sy ny alakamisy izao, ary hamoaka fehin-kevitra hifaneken’ny rehetra izay arahana hetsika goavana manomboka ny zoma izao manerana ny Nosy; satria “ny fanarenana amin’ny fotony an’i Madagasikara no tanjona”, hoy hatrany Atoa Pety Rakotoniaina. Ankoatra izay, nomarihany fa “tsy i Mandela ny tenako saingy raha ny telo taona nanagadra ahy no akako fahavalo mpiray tanindrazana amiko, tsy azony saiko hekena izany. Hifandray tanana amin’Atoa Ravalomanana aho raha tonga an-tanindrazana izy, izay takianay ny hamerenana azy eto amin’ny taniny”
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.