Ny olona no miova fa ny rafitra sy ny lalàna ary ny fomba fanao dia mbola hitohy hatrany eo anatrehan’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahana ankehitriny, hoy i Pety Rakotoniaina, filohan’ny antoko Tambatra.
Aminy dia ratsy fanombohana ny Repoblika fahefatra satria ilay rafitra manome fahafahana ny mpitondra hizara ny harena amin’ny vahiny, mampisy tany lavitra andriana, manapotika ny tambanivohitra, tsy mahafehy ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana izay mampirongatra ny asan-dahalo no mbola holovain’ny mpitondra vaovao. Araka ny hevitr’i Pety Rakotoniaina koa dia tsy fampielezan-kevitra no mandeha amin’izao fa famafazana vola sy fividianana olona izay midika fandatsana ny Malagasy tsotra izao. “Potehana ny Tanindrazana satria tsy avela hijery lavitra ny vahoaka tokony hitondra ny fampandrosoana fa tambazana volabe. Tsy hisy firenena harenina amin’izao mihitsy”, hoy izy. Kianiny, araka izany, ny fafikatrana atao amin’ny volabe amin’izao vanimpotoan’ny fampielezan-kevitra izao nefa ny mpianatra Malagasy eny amin’ny ambaratonga ambony mitaky ny vatsim-pianarany tsy misy mpiraharaha sahala amin’ny asan-dahalo izay manjaka tokoa nefa tsy misy vahaolana avy amin’ny fanjakana.
Tsotra ny heviny manoloana izany: “Alain’izy ireo amin’ny fanjakana io vola amina miliara ampiasainy io rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy ary ampitomboana an’arivony heny aza” araka ny fanazavan’ity PDS-n’i Fianarantsoa ity hatrany. Momba ny fifidianana ihany dia fifidianana manavakavaka ny Malagasy no isokajiany ity indray mitoraka ity satria ny mponin’ny tanàn-dehibe ihany no afaka mifidy. Anjakan’ny asan-dahalo mantsy ny ampahany maro amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, ny faritan’i Mahajanga ary ny faritra andrefan’Antananarivo izany hoe hoverezin-jo ireny olona ireny. Mandefa hafatra amin’ny CENI-T koa ny tenany mba tsy hanapim-bava ny vahoaka amin’ny alalan’ny fandrarana ny fanehoan-kevitra an-telefonina amin’ny onjam-peo. Fanapenam-bava ny olona izay mifanohitra amin’ny fahalalana izany, hoy izy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.