Pety Rakotoniaina

> Miantso ny foloalindahy hanajanona ny fifidianana


  • Talata 08 Oktobra 2013

Mavaivay ny kiana ataon’ny filohan’ny antoko Tambatra ny mpitondra fanjakana eo anatrehan’ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Aminy dia fanjakan’ny baroa no misy satria mitohy ny fanaovana ny harem-pirenena ho adala tompo sy ny tsy firaharahaina ny zava-manahirana ny vahoaka, hany ka tsy mahatoky ny fanjakana intsony ity farany.

“Tsy aharenesam-peo mihitsy ny fanjakana eo anatrehan’ny fahaverezan’ny lelavola 232 miliara ariary tany amin’ny lalam-pirenena faharoa. Inona koa ny marina amin’ny famarotana ny petra-bolan’ny fanjakana ao amin’ny banky BNI ary ny fikasana hamarotra ny andramena ? Fanontaniana andrasana valiny ireo “, hoy i Pety Rakotoniaina. Notsoriny fa misy zavatra tsy mazava ao ambadik’ireo raharaha notanisainy ireo sy ny resa-pifidianana. “ Misy kandida manao fafikatrana vola hanambazana ny mpifidy nefa ny mpianatry ny oniversite mitaky ny zony rarafana baomba mandatsa-dranomaso. Anjakan’ny asan-dahalo kosa ny tapany atsimon’ny nosy iray manontolo miampy ny ampahany eto Antananarivo sy any Mahajanga nefa tsy hita izay fandraisana andraikitra amin’izany”, araka ny heviny hatrany. Misintona ny sain’ny mpitandro ny filaminana ingahy Pds-n’i Fianarantsoa, araka izany, mba handini-tena ka tena ho mpiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy miaro olom-bitsy. Manao antso avo amin’izy ireo mihitsy ny tenany mba handray andraikitra ka hampijanona ity fifidianana ity sao sanatria hifampitifitra ny samy manam-basy. Ratsy noho ny tamin’ny 1991, 2002 ary 2009 izao zava-misy izao.

“Fampitandremana ireny fitsaram-bahoaka mateti-pitranga  ireny. Momba ilay niseho tany Nosy be farany dia azoko ambara fa ny fanjakana no tomponandraikitra rehefa tsy nanao ny asany satria tsy nisy mihitsy mangirana momba ireo fahaverezan-jaza izay nahazo vahana tao an-toerana.Tsy fankatoavana ny fitsaram-bahoaka akory izany fa filazana ny zava-misy”, araka ny nambarany hatrany. Manahy ra mandriaka koa ny tenany raha mikiribiby haka ireo andramena any amin’ny tompony ka mivarotra izany ny fanjakana satria tsy hanaiky lembenana ireo tompony ireo. Raha tsy maintsy irosoana anefa ilay famarotana  dia ny kaominina sy ny faritra niaviany no omena ny tombontsoa be indrindra avy amin’ny vidin’ny hazo hisian’ny fampandrosoana maharitra raha ny sosokeviny. Fehiny dia manohana hatrany ilay “ diniky ny Malagasy samy Malagasy” izay heveriny ho hany vahaolana i Pety Rakotoniaina.

 

Yves  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT