Pety Rakotoniaina

> Manao propagandin’ny lalŕmpanorenana


  • Talata 24 Septambra 2013

Hisokatra anio ny fampielezan-kevitra fifidianana filoham-pirenena, mihetsiketsika koa anefa ireo mpanohitra izany. Nanomboka tamin’iny herinandro lasa iny no nitety faritra milaza ny tsy mahamety izao fomba famaranana ny tetezamita izao i Pety Rakotoniaina.

Namory ireo filoham-pikambanana, sojabe ary “cadre” tao Toliara ny tenany tamin’ny zoma tolakandro, tao Mahajanga koa ny alahady. Nifanotona tamina famoriam-bahoaka nataona kandida filoham-pirenena telo samy hafa ity hetsika nataony ny alahady ity saingy tsy nahasakana ny olona hifanapatapakahitra aminy izany. Ny fifamatoran’ny tantaram-pirenena sy ny tsy fahombiazana no velabelarina amin’ny vahoaka raha ny fanazavan’ny filohan’ny Tambatra. “Tsy mijery ny olana any amin’ny fotony na amin’ny fomba fiasa na koa amin’ny rafitra misy eto. Tsy fahaizana misintona lesona amin’ny zavatra tsy mety izao fisisihana hanao fifidianana filoham-pirenena izao. Ny lalàmpanorenana izay lalàna fototra mifehy ny tany sy ny firenena aloha no tokony hofidiana”, hoy hatrany i Pety Rakotoniaina. Izy izay nanamafy fa rafitra manakaiky ny vahoaka no mila ajoro hisian’ny fampandrosoana mirindra ankoatra ny fametrahana ny fandriampahalemana ary ny fanamorana ny fahazoan’ny olom-pirenena titra amin’ny taniny. Tsy misy afa tsy 1%-n’ny tany any ambanivohitra moa no ananan’ny tompony taratasy ara-dalàna raha 15% ny aty ambonivohitra. Mila atao laharampahamehana amin’ireo harena misy ao aminy koa ireo faritra nakana azy ireny : ny faritany Toliara no tokony higoka ny tombontsoa be indrindra amin’ny solitany ao Bezaha sy ny fasimainty ao QMM raha Mahajanga kosa no omena tombondahiny avy amin’ny fitrandrahana ao Soalala. Tsy hijanona moa ny fitetezam-paritra ataon’i Pety Rakotoniaina na dia mifanindry amin’ny fampielezan-kevitra aza satria hihaona amin’ny vahoakan’Antsiranana indray ny tenany amin’ity herinandro ity. Momba ny torabato in-droa nisesy niseho tao Fianarantsoa nandritra ny famoriam-bahoaka nataona kandida filoham-pirenena roa samy hafa dia nilaza ho nanome ny kianjan’Ampasambazaha ingahy PDS fa tsy tomponantoka tamin’izay savorovo niseho.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT