Tsy nitsitsy fitenenana ny PDS-n’i Fianarantsoa sady filoha nasionalin’ny antoko Tambatra, Atoa Pety Rakotoniaina, raha naneho ny heviny momba ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny, indrindra manodidina ny fifidianana.
Tsy mahatafandrimandry anay any Betsileo ny zava-misy, hoy izy. Tena fandikan-dalàna tsotra izao ny fanatanterahana fifidianana amin’ny andro fahavaratra nefa dia atao amboletra fotsiny lazaina fa tsy azo anoharana. Ho sahirana ireo kandidà ireo raha ho tanteraka tokoa io fifidianana io satria maro ny toerana tsy azo aleha rehefa fotoam-pahavaratra eto amintsika. Nihazakazahana koa ny fanilihana ireo kandida 3 lehibe fa hoe tsy nahafeno fepetra tamin’ny fipetrahana enim-bolana teto Madagasikara, nefa didy tsy azo ivalozana izao no nanaiky azy ireo ho kandida ka fandikan-dalàna izany ? Azo ovaina ve izany ny lalàna mivoaka manomboka izao ? Izany ve no hampianarina an’ireo taranaka fara mandimby ka ho aiza marina ity firenena ity ? Marihiko, hoy ity filohan’ny antoko Tambatra ity, fa tsy hitondra filaminana ho antsika mihitsy izao tery vay manta atao antsika izao. Sahiko ny milaza, hoy i Pety Rakotoniaina fa misy tetika ambadika izao ataon’ny iraisam-pirenena eto amintsika izao. Tsy ekena mihitsy, hoy izy, raha ny Vondrona iraisam-pirenena no hanampim-bava ny Malagasy ary tsy ekena koa ny hitrangan’ny zavatra miseho atsy Afrika eto Madagasikara. Tokony hijoro isika na tsy manam-bola aza, hoy i Pety Rakotoniaina ! Tsy izay eritreritr’i Joaquim Chissano no marina fa fandaminana politika amin’ny fampihavanana ny samy Malagasy marina aloha no hatao vao miroso amin’izany fifidianana izany isika.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.