Taorian’ny fanazavan-kevitra nataon’Atoa Pety Rakotoniaina tao Antananarivo mikasika ny “fivoahana amin’ny krizy sy ny hoavin’i Madagasikara”, dia anjaran’i Toamasina indray no hanaovany izany rahampitso sabotsy tolakandro. Ny vovonana “Malagasy ho an’ny Tanindrazany” no mpikarakara ny hetsika izay hanambaran’izy ireo koa ny heviny mikasika ny fifidianana hatao ny 25 oktobra izao, sy ny resaka ara-politika misy eto amin’ny firenena, ary ny momba ny foto-kevitr’izy ireo nananganana ity vovonana ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.