Nahabe resaka teo anivon’ny Kaominina ambonivohitr’i Toamasina ny fandehanan’ny filohan’ny delegasionina manokana (PDS), Toalina Zafindrabary tany Frantsa ny volana martsa teo.
Tao anatin’ny tsy fandraisan’ny mpiasa karama sy nahamaro ny fako niangona eran’ny tanàna ary ny filazana fa tsy manam-bola ny Kaominina rahateo ny diany. “Fanasana nataon’ny Ben’ny tanànan’i Saint Etienne noho ny Kaominin’i Toamasina mpiara-miombona antoka aminy no nandehako tany, izy ireo avokoa no niantoka ny dia rehetra. Ny fiatrehana ny ‘forum biennal de design’ izay fampisehoana ny fivoaran’ny tanàn-dehibe ambonivohitra sy ny fomba entina hanatsarana izany Kaominina izany mba ho maoderina sy manara-penitra”, izay no nambaran’Atoa Toalina Zafindrabary.
Nohararaotina ihany koa ny herinandro nijanonana tany, hoy izy, nijerena ny fifanampiana sy fiaraha-miasa ary fifanohanana hafa entina hanatsarana ny fitantanana ny Kaominin’i Toamasina. Teo noho izany ny fijerena ny fanamboarana ny “WC sèche” izay azo anaovana zavatra hafa ihany koa ireo diky maina, efa misy sahady ny fiaraha-miasan’ny Kaominina sy ny mpianatra ara-teknika any Saint Etienne ary ny ONG St Gabriel amin’ny fanamboarana izany ao Toamasina ho an’ny manana fahasembanana. Teo koa ny fahazoana fiaraha-miasa amin’ny fanatsarana ny sora-piankohonana izay hahatongavan’ireo iraka manokan’ny Kaominin’ny Saint Etienne ao Toamasina hijery ny zava-misy sy hanao fanofanana avy eo ary hanome fitaovana. Ankoatra izay, dia efa misy koa ny fiaraha-miasa amin’ny fanamboarana tobin’ny mpamonjy voina sy hain-trano faha-02 ao Toamasina, izay ivontoerana fanofanana mikasika ny vonjy taitra no mpamonjy voina ihany koa amin’ny fotoana ilana azy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.