Politique

PDS Toalina Razafindrabary «Vonona aho hamita ny asa nankinina amiko»


  • Alarobia 25 Janoary 2012

Nisy ny resaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin’ny PDS Toalina Razafindrabary taorian’ny famindram-pitantanana nifanaovany tamin’ny PDS teo aloha Rakotovao Mariot, mikasika ny asa miandry azy ao amin’ny Kaominin’i Toamasina.

 Tia Tanindrazana (TT) : Inona ny asa maika araka ny hevitrao hanarenana ny Kaominin’i Toamasina ?

Toalina Razafindrabary (TR) : Tena latsaka an-katerena ny Kaominina ankehitriny, midika izany fa ny fandaminana ny olana anatiny eo amin’ny fanatontosana ny asa no maika voalohany. Tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny fiverenana miasa mantsy ny fitokonan’ny mpiasa efa ho efa-bolana. Eo koa ny mpiasa somary nisy fifankahalana. Ho ahy manokana, vonona hamita ny asa nankinina amiko aho, izaho rahateo efa lehiben’ny Distrikan’i Toamasina I ny taona 2009 hatramin’ny 2011, ka fantatro tsara io olan’ny Kaominina io.

TT: Misy mpiasan’ny Kaominina miandry fitsarana any am-ponja izay antony nampitokona ny mpiasa, ahoana ny fahamahana iny olana iny ?

TR : Hojerena akaiky iny. Raharaham-pitsarana mantsy izy iny ka tsy maintsy hisy ny resaka hifanaovana amin’ny fitsarana hijerena ny azo atao rehetra. Tsy maintsy atao izay hivahan’ny olana momba iny mpiasa iny, izy rahateo tsy mbola nandalo fitsarana ka azo atao tsara aloha ny mangataka ny fahafahana vonjimaika ho azy.

TT: Tsy mbola manana teti-bola ny Kaominina satria tsy mbola nivory nandany izany ny Filankevitra, inona izany ny vola hampiasainareo ao manomboka izao ?

TR: Efa nojerena io, isika rahateo manana ny fitsarana ara-bolam-panjakana eto Toamasina, eo koa ny lehiben’ny Distrika, handamina ny vola azo ampiasaina aloha. Efa hivory tsy ho ela ny Filankevitra monisipaly satria ny fiandrasana ny PDS vaovao no nahatonga ny fihantonan’ny fivoriana tokony ho nataony ny desambra 2011. Tsy misy atahorana izany, ny fanadiovana ny tanàna aza efa hanomboka ary atao tahaka ny asa natao tany aloha.

Nangoninin-dRakoutou


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT