Efa nampoizina ny fitohizan’ny adin’ny mpanolotsain’ny tanŕnan’Antsirabe sy ny Pds fa dia ho tantara mitohy.
Niantso fivoriana tsy ara-potoana indray mantsy ny mpanolotsain’ny tanàna nanomboka omaly alarobia ka haharitra telo andro izany. Anisan’ny lahadinika hodinihina sy hanaovana fanadihadiana an’ingahy Pds ny fanapahan-kevitra noraisiny irery ka mahabe resaka
ao Antsirabe amin’izao fotoana. Ao ny fitohizan’ny asa ao amin’ny Cité Arcade amin’izao fotoana, ny fampanofana ny Hall d’Information izay fananan’ny kaominina, ny momba ny fampanofana ny tany eny Ivohitra amina haino aman-jery tsy miankina iray ary ny fampanofana vonjimaika ny Site Ranovisy”. Nohamafisin’ny filohan’ny mpanolotsaina Atoa Andrianjohany Mananaharivelo sy ny lefiny ny Dokotera Naina fa tsy mbola voaresaka no sady tsy nandraisana fanapahan-kevitra tao amin’ny mpanolotsaina niaraka ireo raharaha ireo, ka zon’izy ireo ny mitaky fanazavana sy
mandray fanapahan-kevitra amin’izany fa tsy araka ny nolazain’ny Pds fa mijanona ho mpanolotsaina fotsiny no asan’izy ireo ao Antsirabe. Raha tsiahivina dia ny 22 martsa taorian’ny fahavitan’ny fivorian’ny mpanolotsaina dia nitatitra ny vokatry ny fivoriany ireo mpanolotsaina ka anisan’ny voakiana tao irao resaka teo ambony ireo. Ny 26 martsa indray dia nanao valin-kafatra ny Pds ka nilaza fa tsy misy idiran’ny mpanolotsaina ny asany fa manolo-kevitra no azon’ireo atao. Efa nampoizina moa ity raharaha ity fa tsy hipetra-potsiny amin’io resaka io ireo mpanolotsaina. Ho
hita eo indray ny tohiny satria hisy fanapahan-kevitra goavana tsy maintsy horaisin’ny mpikambana ao amin’ny filankevitra rahampitso.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.