Andro vitsy monja taorian’ny fametraham-pialany dia voasolo ireo minisitra kandida filoham-pirenena, tsy mbola misy solony kosa ny toeran’ny PDS-n’Antananarivo. Sahirana mafy mihitsy ny ekipan’Ambohitsorohitra mitady olona mahatoky hapetraka amin’io toerana io.
Raha nanontaniana dia nilaza ny Ministeran’ny atitany fa ao anatin’ny fifampidinihana amin’ireo hery politika isan-karazany ry zareo amin’izao fotoana satria ity departemanta ity no manendry ny PDS. "Raha ny hamehan'ny toe-draharaha dia voatendry avy hatrany ny mpisolo toerana raha vao nametra-pialana Atoa Edgard Razafindravahy ka ny lefiny no miakatra maka ny toerany. Tsy nanana lefitra anefa ity farany ka tsy maintsy manendry PDS mihitsy”, hoy hatrany ilay loharanom-baovao. Mandeha ny resaka fa ny Tale jeneralin’ny OMERT Andriamananoro Augustin no tian’i Andry Rajoelina hapetraka amin’ity toerana stratejika ity. Misalasala indray anefa ny tenany satria tsy azo itokisana araka izay noheveriny ity farany.
Anisan’ireo efa nanam-pikasana hametra-pialana ity farany fony izy minisitry ny paositra sy fifandraisan-davitra noho ny tsy fitoviam-pijery tamin’ny filohan’ny FAT saingy nihemotra indray rehefa noresen-dRazafimanazato Julien, minisitry ny fanabeazana tamin’izany fotoana lahatra. Zary manaratsy endrika azy eo imason’i Andry Rajoelina io toe-draharaha io. Miditra an-tsehatra amin’ity raharaha ity ihany koa ireo mpiasa izay tsy manaiky hatao tohatra fiakarana fotsiny. Misy amin’izy ireo no manohana an-dRakotomavo Serge, delegen’ny Boriborintany voalohany ka nanoratra any amin’ireo ambaratongam-pahefana isan-karazany hanendrena azy. Na inona anefa ambara sy fihetsiketsehana any rehetra any dia Ambohitsorohitra ihany no tompon’ny teny farany. Manana tombontsoa maro arovana mantsy ny tandapa raha tsy hilaza afa-tsy ny fitohizan’ny fanotofana tany etsy Andranobevava fotsiny.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.