Vaky ny ady eo amin’ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, Razanakolona Paul sy ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tanŕnan’Antsirabe I, Razafindrainony Lala Marie Beryl mahakasika ny fitondran’ny Faritra ireo lehibem-pokontany nitsangantsangana any Manakara.
Efa ela no hita taratra fa marisarisa ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta fa izao vao tena vaky ambatolampy izany. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Antsirabe mantsy ny PDS Razafindrainony Lala Marie Beryl ka nilaza fa tena fanaovana tsinontsinona azy ireo mitantana ny tanànan’Antsirabe ny fihetsika asehon’ny lehiben’ny Faritra mandray fanampahan-kevitra mitondra ireo lehiben’ny Fokontany mitsangatsangana mandritry herinandro any Manakara. Nohamafisiny fa tena fanamparam-pahefana tsotra izao ny fanaovana izany ary tsy ara-dalàna. Lehiben’ny Fokontany eo anivon’ny Kaominina ambonivohitra ireo ka tokony hisy ny fakana ny heviny nialoha ny nitondrana azy, ary ny Kaominina no mpiahy azy ireo mivantana. Etsy an-danin’izany dia nampametra-panontaniana ny PDS ny asan’ny lehiben’ny Fokontany amin’ny fotoana tsy maha eo azy ireo mandritra ny herinandro, isan’andro anefa dia misy hatrany asa ny ilan’ny mponina azy ireo any amin’ny Fokontany iadidiany any. Notsoriny nivantana fa tena resaka politika io satria hoentina any izy ireo mba hanaovana fanasana atidoha hanohanana olona iray amin’ny fifidianana sahady. Nohamafisiny fa ataon’ny lehiben’ny Faritra ho tsangan’olona fotsiny izy ireo amin’ny fitantanana ny tanàna ka nolazainy fa tena tsy ara-dalàna izany.
Nolazainy moa fa anisan’ny antom-pisian’ny delegasiona manokana ny fametrahana ny fitoniana ao Antsirabe. Raha izao fihetsika izao dia mazava, hoy izy fa ny lehiben’ny Faritra mihitsy no mitarika korontana sy tsy filaminana ao Antsirabe amin’izao fotoana, satria raha misy antoko hafa koa na fikambanana manao toy izao mitondra sy mamory ireo lehiben’ny Fokontany dia inona no zavatra hitranga ? Nambarany sy nolazainy ampahibemaso tamin’ireo mpanao gazety moa fa tsy nakana ny heviny ihany koa ny nanesorana tamin’ny toerany ireo lehiben’ny Fokontany 06 tao Antsirabe. Tsy mazava ihany koa ny antony nanesorana azy ireo. Aminy dia mbola resaka politika ihany koa io ka tsy tokony hoekena satria tsy ara-dalàna fa fanamparam-pahefana tsotra izao ary nilaza mihitsy ity PDS ity fa tsy handray baiko amin’ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra intsony.
Tombanan’ny maro hatrany moa fa manohana tsy misy fepetra ny mety ho firotsahan’ny VPM Hajo Andrianainarivelo ankolaka ny lehiben’ny Faritra amin’ny alalan’ilay fikambanany “Miara-Mirona ho an’ny Fampandrosoana”, ka angamba izany no fototry ny olana satria raha ny resaka miely ao Antsirabe dia izay no fototry ny nanesorana ireo lehiben’ny Fokontany tsy akama tamin’ny toerany ary ireo tsy nety nandeha tany Manakara no lasibatra tamin’izany, izay voalazan’ny resaka ihany fa ny VPM ihany koa no namatsy ny vola ho amin’izany fitsangatsangana izany. Tantara mitohy vaovao indray ity resaka ity amin’izao fiandohan’ny fetin’ny paska izao ka ho hita eo indray izay valin-kafatry ny lehiben’ny Faritra amin’ny fiverenany rahampitso zoma izao.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.